Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Aprily
HERINANDRON’NY 9 APRILY
Hira 123 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 19 § 1-5, efajoro p. 149-150 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Jeremia 22-24 (10 min.)
No. 1: Jeremia 23:15-23 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Tsy Hankaleo ny Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao? (5 min.)
No. 3: Sambatra ny Mpivady Mampihatra ny Torohevitry ny Soratra Masina—rs p. 170 § 6–p. 171 § 2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay DVD hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina, satria hodinihina amin’ny herinandro izy io.
15 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2012. Akao hevitra ho an’ny teny fampidirana ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana.” Asao ny mpanatrika avy eo hilaza tantara mampahery avy ao amin’ilay hoe “Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa.” Asao ny mpanatrika hiresaka zavatra miavaka avy ao amin’ny tatitra maneran-tany. Ampirisiho ny rehetra hamaky ilay Diary hatramin’ny farany.
15 min: “Fomba Telo Hanatsaranao ny Fahaizanao Mampianatra.” Fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2. Mpitory iray miara-midinika amin’ny tompon-trano ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy 3, amin’ny boky Ampianarina. Rehefa avy mamaky ny Joba 10:15 avy ao amin’ilay boky ilay mpitory, dia hazavainy mandritra ny iray na roa minitra hoe iza moa i Joba. Asao ny mpanatrika hilaza aorian’izay hoe nahoana no tsy fomba fampianatra tsara ilay izy teo, na dia marina aza ny fanazavan’ilay mpitory momba an’i Joba.
Hira 10 sy Vavaka