Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 16 Janoary
HERINANDRON’NY 16 JANOARY
Hira 98 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 15 efajoro p. 121 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Isaia 34-37 (10 min.)
No. 1: Isaia 35:1-10 (4 min. na latsaka)
No. 2: Rariny Raha i Jehovah no Itokisantsika—Sal. 25:1-5 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Azo Atao ny Manantena Fiainana Mandrakizay?—rs p. 205 § 5-7 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Fantaro ny Hevitr’ilay Olona Manontany. Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 66, feh. 1–p. 68, feh. 3). Asio fampisehoana fohy: Mpitory iray ametrahan’olona fanontaniana. Miteny irery vetivety izy aloha hoe nahoana ilay resaka no zava-dehibe amin’ilay olona ary inona no heviny momba ilay izy. Manome valiny mahafa-po ilay mpitory avy eo.
15 min: Aoka ho Tsara Foana ny Fitondran-tenanareo eo Amin’izao Tontolo Izao. (1 Pet. 2:12) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Diary 2011 (p. 124, feh. 1-2, sy p. 150, feh. 1-6). Asao ny mpanatrika avy eo hilaza izay lesona noraisiny.
Hira 97 sy Vavaka