Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 7 Novambra
HERINANDRON’NY 7 NOVAMBRA
Hira 131 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 12 § 9-13, efajoro p. 97 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Ohabolana 27-31 (10 min.)
No. 1: Ohabolana 28:19–29:10 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana ny Fisaintsainana ny Romanina 8:32 no Hanampy Antsika Hatoky fa ho Tanteraka ny Fampanantenan’Andriamanitra Rehetra? (5 min.)
No. 3: Ahoana no Nahatanterahan’ny Lioka 21:11 Nanomboka Tamin’ny 1914?—rs p. 67 § 2–p. 68 § 1 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Famaliana Fanontaniana Momba ny Fampidiran-dra. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Fandresen-dahatra, pejy 365-366. Asio fampisehoana fohy: Mpisava lalana mitory isan-trano, ka misy olona mametraka ny iray amin’ireo fanontaniana ao. Mampiasa ny boky Fandresen-dahatra ilay mpisava lalana mba hamaliana izany.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Tsy Hahafoy ny Olony i Jehovah. (Sal. 94:14) Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny Diary 2011 (p. 215, feh. 1-2, p. 221, feh. 3-p. 222, feh. 5). Asao ny mpanatrika hilaza izay fianarana noraisiny.
Hira 110 sy Vavaka