Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 18 Aprily
HERINANDRON’NY 18 APRILY
Hira 17 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 2 § 16-23 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Joba 28-32 (10 min.)
No. 1: Joba 30:1-23 (4 min. na latsaka)
No. 2: Raha Misy Milaza hoe: “Tsy Mino An’i Jesosy Ianareo”—rs p. 299 § 2-4 (5 min.)
No. 3: Nahoana Isika no Tokony Hieritreritra Aloha vao Hiteny?—Ohab. 16:23 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Rehefa Mitaky Fanazavana Aminao ny Hafa. Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 177, feh. 2–p. 178). Asio fampisehoana fohy: Mpiara-miasa tsy Vavolombelona manontany mpitory iray momba ny zavatra inoantsika. Miteny irery aloha ilay mpitory, ka ataony drafitra ao an-tsaina ny fomba hamaliany an’ilay fanontaniana, ary avy eo izy manome valin-teny.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny misy fiaraha-midinika, ataon’ny anti-panahy iray.
10 min: Fomba Fitoriana ny Vaovao Tsara: Fitoriana Isan-trano. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina (p. 92, feh. 3–p. 95, feh. 2). Manadinadìna mpitory iray na roa, izay mitory isan-trano foana na dia misy olana aza, ohatra hoe saro-kenatra izy, na tsy salama, na efa osa. Inona no valisoa azony?
Hira 26 sy Vavaka