Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Martsa
HERINANDRON’NY 28 MARTSA
Hira 45 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 1 § 16-21 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Joba 11-15 (10 min.)
No. 1: Joba 13:1-28 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no “Tompon’ny Sabata” i Jesosy?—Mat. 12:8 (5 min.)
No. 3: Efa Nisy Tany An-danitra ve i Jesosy Talohan’ny Naha Olombelona Azy?—rs p. 297 § 1-2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Aprily. Asio fampisehoana iray ahitana ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly rehefa mitsidika olona nandray gazety.
10 min: Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina (p. 127-129, feh. 1).
10 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Aprily. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ilay Tilikambo sy ilay Mifohaza!
10 min: “Efa Mpisava Lalana Maharitra ve Ianao Taloha?” Fanontaniana sy valiny. Raha misy mpisava lalana efa nitsahatra taloha nefa nanohy indray ao aminareo, dia adinadino vetivety izy: Nahoana izy no afaka nanao mpisava lalana indray? Inona avy ny fitahiana azony?
Hira 6 sy Vavaka