Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 11 Oktobra
HERINANDRON’NY 11 OKTOBRA
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 11 § 15-21, efajoro p. 117
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Tantara 5-7
No. 1: 1 Tantara 6:31-47
No. 2: Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Oviana no Niforona ny Fivavahan’izy Ireo? (rs p. 410 § 1–p. 411 § 3)
No. 3: Ahoana no Ahafahan’ny Olombelona Tsy Lavorary ho Masina? (1 Pet. 1:16)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Ahoana no Tokony Havalinao? Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 69, feh. 1-5). Asio fampisehoana: Mpisava lalana iray manampy mpianatra Baiboly hanapa-kevitra. Manontany ilay mpianatra hoe: “Ahoana no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerako?”
10 min: Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fahadiovan’ny Vatana. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina (p. 137, feh. 1–p. 138, feh. 2). Asao ny mpanatrika hitantara hoe nahoana no nisarika azy ho ao amin’ny fahamarinana ny nahitany fa madio sy milamina ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsotra ny fiakanjony.
10 min: “Aza Matahotra.” Fanontaniana sy valiny.