Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 23 Aogositra
HERINANDRON’NY 23 AOGOSITRA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 5-8
No. 1: 2 Mpanjaka 6:8-19
No. 2: Nahoana no Tsy Mampiasa Mihitsy ny Anaran’Andriamanitra ny Baiboly Sasany? (rs p. 284 § 1–p. 285 § 1)
No. 3: Ahoana no Mety Hahatonga ny Fanirian’ny Nofo ho Lasa Andriamanitra? (Fil. 3:18, 19)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Manomboha Fampianarana Baiboly Dieny eo Am-pitoriana Mandritra ny Septambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Hanolotra ny boky Ampianarina isika mandritra ny Septambra, ka hiezaka handinika fehintsoratra iray na roa miaraka amin’ny tompon-trano, dieny eo am-pitoriana. Miresaha fomba vitsivitsy azo anaovana izany. Asio fampisehoana iray na roa.
20 min: “Ho Vitanao ny Hitory Tsy Ara-potoana.” Fizarana Voalohany, fehintsoratra 1-8. Fanontaniana sy valiny. Ataovy fampisehoana ny soso-kevitra iray na roa.