Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 2 Aogositra
HERINANDRON’NY 2 AOGOSITRA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 18-20
No. 1: 1 Mpanjaka 18:21-29
No. 2: Inona no Dikan’ny hoe ho Lasa ny Lanitra sy ny Tany? (Apok. 21:1)
No. 3: Inona avy no Toetran’ireo Te Hahaleo Tena Nefa Tsy Tokony Hananantsika? (rs p. 129 § 1-7)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Fomba Anitarana ny Fanompoana, Fizarana Faha-4. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina pejy 116, fehintsoratra 1-4. Anontanio ny mpitory iray na roa efa nanampy tamin’ny fanorenana, hoe inona no nahafinaritra azy tamin’izany.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Fitantarana Momba ny Fanombohana Fampianarana Baiboly. Lahateny misy fiaraha-midinika. Tantarao ny vokatra azo teo an-toerana noho ilay ezaka manokana hanasana olona hianatra Baiboly. Asao ny mpanatrika hitantara zava-nitranga vitsivitsy. Azo atao fampisehoana ny zava-nitranga niavaka iray na roa. Eo am-pamaranana dia asio fampisehoana mahakasika ny fomba anombohana fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana.