Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 26 Jolay
HERINANDRON’NY 26 JOLAY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 15-17
No. 1: 1 Mpanjaka 15:1-15
No. 2: Iza no Nampirisika ny Olona Hanao Izay Tiany Fotsiny fa Tsy Hiraharaha ny Didin’Andriamanitra? (rs p. 128 § 1-2)
No. 3: Nahoana no Ilaina ny Hara-magedona?
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Fomba Anitarana ny Fanompoana, Fizarana Fahatelo. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina pejy 114, fehintsoratra 2 ka hatramin’ny pejy 115, fehintsoratra 3. Manadinadìna mpitory fakan-tahaka efa nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, na Sekolin’i Gileada. Anontanio ny soa noraisiny. Raha tsy misy eo anivon’ny fiangonanareo, dia milazà fitantarana mahakasika izany avy ao amin’ny bokintsika.
10 min: Miomàna Hanolotra An’ireo Gazety Amin’ny Aogositra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo avy eo, ary asao ny mpanatrika hilaza ny fanontaniana sy andinin-teny kasainy hampiasaina. Asio fampisehoana ahitana ny fomba ametrahana ny gazety tsirairay.
10 min: ‘Ny Fahendren’ny Olona dia Hamarinin’izay Ataony.’ Fanontaniana sy valiny.