Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 19 Jolay
HERINANDRON’NY 19 JOLAY
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 7 § 17-21, efajoro p. 75
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 12-14
No. 1: 1 Mpanjaka 12:12-20
No. 2: Inona no Hanampy Antsika Hanahaka ny Fiheveran’i Jehovah An’ireo Rahalahy?
No. 3: Ankamamio ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah ary Halaviro ny Naman-dratsy (rs p. 127 § 4)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Fomba Anitarana ny Fanompoana, Fizarana Faharoa. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina pejy 112, fehintsoratra 3 ka hatramin’ny pejy 114, fehintsoratra 1. Anontanio ny mpisava lalana iray na roa hoe ahoana no nanitsiany ny fandaharam-potoanany mba hanaovana mpisava lalana.
10 min: Miomàna Hiatrika ny Taom-pianarana Manaraka. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny olana mety hatrehin’ny tanora kristianina any am-pianarana. Hazavao hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny Fanondroana, sy ireo boky Manontany ny Tanora, ary fitaovana hafa mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hanomanana ny zanany hanohitra fakam-panahy sy hiaro ny finoany. (1 Pet. 3:15) Mifidiana foto-kevitra iray na roa, ary miresaha torohevitra azo ampiharina momba izany avy ao amin’ny bokintsika. Asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nahafahany nitory tany am-pianarana.
10 min: “Ampy ve ny Fanompoana Ataoko?” Fanontaniana sy valiny.