Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 12 Jolay
HERINANDRON’NY 12 JOLAY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 9-11
No. 1: 1 Mpanjaka 9:10-23
No. 2: Inona no Torohevitry ny Baiboly Momba ny Fikatsahana Harena sy ny Fibobohan-toaka? (rs p. 127 § 1-2)
No. 3: Ahoana no Ampisehoan’ny Tena Kristianina fa Manana Fahendrena avy any Ambony Izy? (Jak. 3:17)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Efa Nampihatra ve Ianao? Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho vetivety ireto lahatsoratra tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ireto: “Zava-tsarotra Azo Resena ny Fitoriana Amin’ny Lehilahy” (8/09), “Vavolombelona Foana Isika” (11/09), ary “Mahaiza Mifanohana Rehefa Mitory” (3/10). Anontanio ny mpanatrika hoe ahoana no nampiharany ny soso-kevitra tao amin’ireo lahatsoratra ireo, ary inona no soa noraisiny.
15 min: “Inona no Ataonao Loha Laharana?” Fanontaniana sy valiny.