Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Aogositra
Nisy tampon’isa vaovao tamin’ny Aogositra 2009: Nahatratra 21 855 ny mpitory. Nisy fitomboana 8 isan-jato kosa tamin’ny taom-panompoana lasa. Nahatratra 103 198 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, ary 53 582 ny fampianarana Baiboly notarihina isam-bolana tamin’ny antsalany. Ankasitrahana ny zotom-ponareo rehetra ry rahalahy!