Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 14 Desambra
HERINANDRON’NY 14 DESAMBRA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Josoa 6-8
No. 1: Josoa 8:1-17
No. 2: Horavana Amin’ny Rano Indray ve ity Tontolo Ity? (lr toko 46)
No. 3: Nahoana no Mahasoa ny Mampihatra ny Mpitoriteny 7:21, 22?
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Maninona Aho no Matahotra ny Hiresaka Momba ny Fivavahako? Lahateny miorina amin’ny Mifohaza! Jolay 2009, pejy 24-27. Asio fampisehoana: Ray aman-dreny manampy ny zanany hamaly an’izay manontany azy any am-pianarana. Mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana no anaovany izany. Manao fikarohana izy ireo, ary mandinika fanontaniana iray eo amin’ny pejy 25. Manao fanazaran-tena izy ireo avy eo, ka ilay ankizy no mamaly ilay fanontaniana.
15 min: “Asa Maika ny Fitoriana!” Fanontaniana sy valiny. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia manadinadìna mpitory iray be zotom-po. Anontanio izy hoe: Inona avy no nataonao mba tsy hovesaran’ireo zavatra tsy dia ilaina eto amin’ity tontolo ity? Inona avy no soa noraisinao, noho ianao mitadidy hoe maika ny fitoriana?