Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 14 Septambra
HERINANDRON’NY 14 SEPTAMBRA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 26-29
No. 1: Nomery 27:1-14
No. 2: Inona no Atao hoe Mitaiza Zanaka Araka ny Fomba Fisainan’i Jehovah? Nahoana Izany no Ilaina? (Efes. 6:4)
No. 3: Afaka Miaro Antsika i Jesosy (lr toko 33)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Fiverenana Mitsidika. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina (p. 96, feh. 4–p. 97, feh. 2). Asio fampisehoana: Mpitory miverina mitsidika amin’ny olona nandray ny zavatra atolotra amin’ity volana ity.
10 min: Fanombohana Fampianarana Baiboly. Manasà mpitory hitantara, na tantarao izay nataon’ny fiangonana rehefa nanasa olona hianatra Baiboly, nandritra ilay andro natokana ho amin’izany. Asio fampisehoana: Mpitory manomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana, ka ny zavatra atolotra amin’ity volana ity no ampiasainy.
10 min: “Fomba Hamaliana Fanontaniana.” Fanontaniana sy valiny.