Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 27 Jolay
HERINANDRON’NY 27 JOLAY
□ Fianarana Baiboly:
lv fanazavana fanampiny p. 215-218
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 1-3
No. 1: Nomery 3:1-20
No. 2: Nahoana no Mitaky Fifehezan-tena ny Fahalemem-panahy?
No. 3: Iza no Andriamanitrao? (lr toko 27)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Mahaiza Mampiasa Fanontaniana. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 236, feh. 1–p. 237, feh. 2). Miresaha hevitra iray na roa avy ao, ary ataovy fampisehoana fohy izany.
10 min: Miomàna Hanolotra ny Tilikambo 1 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra. Resaho fohifohy ny zavatra raketin’ireo gazety. Anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany ary nahoana. Inona no fanontaniana kasain’izy ireo hanombohan-dresaka, sy ny andinin-teny hovakiny alohan’ny hametrahana an’ireo gazety? Ataovy fampisehoana ny fomba hametrahana ny tsirairay amin’ireo gazety.
10 min: “Miderà An’i Jehovah Isan’andro.” Fanontaniana sy valiny.