Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Martsa
HERINANDRON’NY 9 MARTSA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 40-42
No. 1: Genesisy 40:1-15
No. 2: Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika (lr toko 9)
No. 3: Mitandrema mba Tsy Hanao Izay Tianao Fotsiny!
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Asao ny mpitory iray na roa hitantara vetivety ny fomba nametrahany an’ireo gazety sy ny vokatra azony tamin’izany.
15 min: Rehefa Mitaky Fanazavana Aminao ny Hafa. Lahateny sy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, eo amin’ilay lohatenikely eo amin’ny pejy 177. Ataovy fampisehoana ny fomba mety hamalian’ny mpitory iray ny fanontanian’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminy momba ny zavatra inoantsika. Mamaly “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina” ilay mpitory.—1 Pet. 3:15.
15 min: “Aoka Isika Hiomana Tsara ho Amin’ny Fahatsiarovana.” Lahateny sy fiaraha-midinika. Resaho izay fandaharana hataon’ny fiangonana.