Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 23 Febroary
HERINANDRON’NY 23 FEBROARY
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 1 § 1-9, sasin-teny
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 32-35
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Resaho amin’ny mpanatrika ny zavatra atolotra amin’ny Martsa.
10 min: Miomàna hanolotra ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa. Resaho vetivety ny lahatsoratra ao amin’ireo gazety ireo. Anontanio ny mpanatrika hoe: Inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany ary nahoana? Anontanio koa hoe inona no fanontaniana kasain’izy ireo hanombohan-dresaka, sy ny andinin-teny tiany hovakina alohan’ny hanolorana ireo gazety. Ataovy fampisehoana ny fomba anolorana ny tsirairay amin’ireo gazety, amin’ny farany.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Mampiasa ny Bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika miorina amin’ny sasin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2009. Resaho ny maha zava-dehibe ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana miaraka aminy. Asao ny mpanatrika hilaza ny fandaharam-potoana fanaovany teny vakina sy ny soa raisiny avy amin’izany.