Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 26 Janoary
HERINANDRON’NY 26 JANOARY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 17-20
No. 1: Genesisy 17:1-17
No. 2: Nahoana ny Olona no Tsy Nahavita Nanorina Fitondram-panjakana Manao ny Rariny? (rs p. 253 § 1-6)
No. 3: Manana Anarana Andriamanitra (lr toko 4)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Miomàna Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny zavatra raketin’ireo gazety ireo. Anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Anontanio izy ireo hoe inona no fanontaniana kasainy hanombohan-dresaka, ary andinin-teny inona ao amin’ilay lahatsoratra no tiany hovakina, alohan’ny hametrahana gazety. Amin’ny farany, dia ataovy fampisehoana ny fomba fametrahana an’ireo gazety tsirairay, ka ampiasao ny fomba fampiseho eo amin’ny pejy 4 na izay fomba fampiseho noresahin’ny mpanatrika.
20 min: “Efa Nanao Safidy ve Ianao?”a Ataon’ny anti-panahy. Eo am-pamaranana, dia vakio ny fehintsoratra farany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.