Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 19 Janoary
HERINANDRON’NY 19 JANOARY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 11-16
No. 1: Genesisy 14:1-16
No. 2: Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra (lr toko 3)
No. 3: Ahoana no Amolavolan’i Jehovah Antsika? (Isaia 64:8)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 4.
10 min: Andriamanitra no Atahory, ary ny Didiny no Tandremo. Lahateny velombelona ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 272 ka hatramin’ny pejy 273, fehintsoratra 1.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Febroary. Resaho vetivety izay raketin’ireo boky hatolotra, ary asio fampisehoana iray na roa.
10 min: “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.”a Resaho ireo lafiny mampiavaka an’ilay boky. Ampirisiho ny rehetra mba hanatrika tsy tapaka an’ilay fianarana, ary hazoto hanome valin-teny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.