Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 12 Janoary
HERINANDRON’NY 12 JANOARY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 6-10
No. 1: Genesisy 9:1-17
No. 2: Fomba Hamaliana ny Olona Tsy Mino An’Andriamanitra (rs p. 42 § 1–p. 43 § 1)
No. 3: Taratasy avy Amin’Andriamanitra Fitiavana (lr toko 2)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Mifantoha Amin’ny Lafy Tsaran-javatra Rehefa Manompo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ohatra tsara i Jesosy satria nihevitra ny olona nitoriany ho toy ny ondry mila fanampiana. (Mat. 9:36-38) Inona no nampiova hevitra an’i Ananiasy, na dia nisalasala ny hitsidika an’i Saoly aza izy tamin’ny voalohany? (Asa. 9:13-15) Inona no mampiseho fa nijery lafy tsaran-javatra izy rehefa niresaka tamin’i Saoly? (Asa. 9:17) Inona avy no zavatra tsara tokony hoeritreretintsika rehefa mitory eny amin’ny faritany isika? Nahoana isika no hahita vokatra kokoa raha manao izany? Adinadino vetivety ny mpitory iray na roa, nahita vokatra tsara teny amin’ny fanompoana noho izy nijery lafy tsaran-javatra.
10 min: Ahoana no Ampiasana ny Boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina? Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana na anti-panahy hafa, miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra pejy 7-8.
10 min: “Hataony Ahoana no Fandre?”a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.