Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Hazavao ny fandaharan’ny fiangonana amin’ilay ezaka manokana hizarana taratasy mivalona, manomboka amin’ny 20 Oktobra. Ampirisiho haka taratasy mivalona ampy hozarainy izay mbola tsy naka. Resaho vetivety ilay fomba fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra sy Mifohaza! Oktobra, eo amin’ny pejy 8. Maro no efa nametraka an’ireo gazety ireo, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Asaivo mitantara ny zavatra hitany tamin’izany ny mpanatrika.
35 min: “Fandaharam-pivoriana Vaovao.”a Ataon’ny anti-panahy mahay. Vakio ny andinin-teny voatonona ary asaivo manazava izany ny mpanatrika, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 20 Oktobra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.
20 min: Aoka Ianao ho Faly Foana Rehefa Mitory. Lahateny mampahery avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2005, pejy 24-25, fehintsoratra 11-17. Manadinadìna mpitory iray na roa, efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny ela. Inona no nanampy azy ireo ho faly foana na dia tsy mandray aza ny olona itoriana?
20 min: Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2009. Resahin’ny mpiandraikitra ny sekoly ny fandaharana vaovao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, hita ao amin’ny “Toromarika” amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ao amin’ny takelaka fanampiny. Ireo zavatra niova no tena resaho. Ampirisiho hanao tsara ny anjarany ny rehetra, sady hanomana valin-teny amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ary hampihatra ny fanazavana isan-kerinandro omen’ny mpiandraikitra ny sekoly avy ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
Herinandron’ny 27 Oktobra
5 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
30 min: “Tena Ilaina ny Fianarana Samirery sy ny Fianaram-pianakaviana!”b Ataon’ny anti-panahy mahay. Vakio ny andinin-teny voatonona ary asaivo manazava izany ny mpanatrika, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 3 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Oktobra.
20 min: Miomàna Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy ny Mifohaza! Novambra. Resaho vetivety ny zavatra raketin’ireo gazety ireo. Anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Anontanio izy ireo hoe inona no fanontaniana kasainy hanombohan-dresaka, ary andinin-teny inona ao amin’ilay lahatsoratra no tiany hovakina, alohan’ny hametrahana gazety. Amin’ny farany, dia ataovy fampisehoana ny fomba fametrahana an’ireo gazety tsirairay, ka ny fomba fampiseho eo amin’ny pejy 8 na izay fomba fampiseho mandaitra eny amin’ny faritany ampiasaina.
15 min: Hatsarao ny ‘Fahaizanao Mampianatra.’ Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana na anti-panahy mahay hafa. Miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2008, pejy 9-12, fehintsoratra 5-18. Asongadino ary iaraho midinika vetivety ireo lafin-javatra dimy ilaina mba hahaizana mampianatra. Manadinadìna mpitory iray na roa, izay nahita fa nanampy azy hanatsara ny fahaizany mampianatra io fanazavana io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.