Fampandrenesana
◼ Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Miambena Hatrany!, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tokony hiezaka mafy isika mba hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Raha efa manana io boky io ilay olona, dia asehoy azy ny fomba handraisany soa avy amin’izy io. Asehoy azy vetivety ny fomba fianarana Baiboly amin’ny alalan’io boky io. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia atolory sy iaraho midinika ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, mba hanombohana fampianarana Baiboly. Novambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Ampahatsiahivina ny anti-panahy, mba hanaraka ireo toromarika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, pejy 21-23, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.
◼ Kapila mangilatra vaovao misy:
Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah—Fanontana 2007 anglisy, frantsay
◼ Kasety video vaovao misy:
Hajao ny Fahefan’i Jehovah malagasy