Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Aogositra 2008. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 7 Jolay ka hatramin’ny 25 Aogositra 2008 izy io.
ZAVATRA TANDREMANA
1.1. Ahoana no hampisehoantsika fa mandefitra na mahay mandanjalanja isika, rehefa miresaka ny fahamarinana? (Fil. 4:5) [be p. 251, feh. 3]
2. Nahoana no mety hanampy antsika hitory amin’ny olona tsy manaiky ny Baiboly ho mpitari-dalana ny ohatr’i Paoly, tamin’izy niresaka tamin’ny Grika teo amin’ny Areopago? (Asa. 17:22, 23) [be p. 252, feh. 1-2]
3. Mety ho azontsika antoka fa diso hevitra ilay olona iresahantsika. Ahoana anefa no hampisehoantsika fa mandefitra na mahay mandanjalanja isika? [be p. 253, feh. 1-2]
4. Inona no tokony hotadidintsika, rehefa miezaka mandresy lahatra ny olona isika? [be p. 255, feh. 3, efajoro]
5. Ahoana no hahaizantsika mamanta-javatra rehefa miezaka manohina ny fon’ny olona? (Oh. 20:5) [be p. 258, feh. 1-5]
ANJARA No. 1
6. Inona no tokony hotadidin’ny anabavy rehefa mahazo anjara? [be p. 44, feh. 5-6]
7. Inona no tokony hataon’ny rahalahy rehefa mamelabelatra ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly izy? (Neh. 8:8) [be p. 47, feh. 2-3]
8. Ahoana no tokony hanaovan’ny rahalahy ny anjara misy fampisehoana na fanadinadinana, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana? [be p. 50, feh. 1]
9. Ahoana no anasongadinan’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fomba anatanterahana ny fitoriana? (Asa. 20:20, 21; 28:23) [si p. 204, feh. 35]
10. Inona no azon’ny mpandahateny atao mba hahazoana antoka fa miorina amin’ny Baiboly ny lahateniny? (Asa. 17:2, 3) [be p. 52, feh. 6–p. 53, feh. 2]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Nahoana ilay mpiambina fonja tany Filipy no te “hamono tena”? (Asa. 16:25-27) [w 15/6/90 p. 25, efajoro]
12. Ahoana no nataon’i Aristarko sy Gaio rehefa nenjehina izy ireo? (Asa. 19:29; 20:4, 5) [w 15/2/08 p. 10, feh. 16-17]
13. Inona no dikan’ilay hoe ‘nitsipaka ny hazo fanindronana’ i Saoly? (Asa. 26:14) [w 1/10/03 p. 32]
14. Nahoana no azo lazaina fa ny didy nomen’Andriamanitra ny Israely “no nanetsika ny ota”? (Rom. 7:8, 11) [w 15/6/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Romanina”]
15. Inona no dikan’ny hoe “mampivangongo vainafo” eo ambony lohan’ny fahavalo? (Rom. 12:20) [w 15/6/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Romanina”]