FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/08 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 11 Aogositra
  • Herinandron’ny 18 Aogositra
  • Herinandron’ny 25 Aogositra
  • Herinandron’ny 1 Septambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 8/08 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 11 Aogositra

Hira 63, Hira 26

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asao ny mpanatrika hilaza izay lahatsoratra tao amin’ireo gazety farany, ka hitan’izy ireo fa nahaliana ny olona teny amin’ny faritany. Asao izy ireo hilaza hevitra voafaritra tsara ao amin’ireo lahatsoratra tiany hampiasaina. Inona no fanontaniana azo anombohan-dresaka? Andinin-teny inona ao amin’ilay lahatsoratra no azo vakina? Ataovy fampisehoana ireo soso-kevitra noresahina.

15 min: Ataovy ny Sitrapon’Andriamanitra ary Aza Varimbariana. Lahateny miorina amin’ilay boky hoe “Andao Hanara-dia Ahy”, pejy 91-94, feh. 12-13.

20 min: “Mampiasa Tsara Azy Ireny ve Ianao?”a Manadinadìna mpitory iray efa nampiasa ny iray amin’ireo lafiny vaovao mampiavaka Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro. Azo atao fampisehoana izany rehefa avy eo. Ampiasao koa ny soso-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-2, ka ataovy fampisehoana ny fomba hanombohana fampianarana, amin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra.

Herinandron’ny 18 Aogositra

Hira 135, Hira 61

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Resaho ny momba ny “Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra”, ary lazao ny daty raha efa fantatra. Ampahatsiahivo ny mpanatrika mba hitondra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra, hampiasaina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro ambony. Asaivo miomana izy ireo mba hilaza ny fomba azo anolorana an’ireo gazety ireo eny amin’ny faritany.

20 min: Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Fihaingoantsika. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Andriamanitra masina i Jehovah, ka tena zava-dehibe amin’ny vahoakany ny fahadiovana. (Eks. 30:17-21; 40:30-32) Mampifaly an’i Jehovah isika sady manome voninahitra azy raha mendrika ny fihaingoantsika, indrindra fa eny amin’ny fanompoana. (1 Pet. 2:12) Mety “hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra” kosa ny fihaingoantsika raha tsy mendrika. (Tit. 2:5) Miresaha zava-nitranga teo an-toerana na voalazan’ny boky sy gazety, mampiseho fa nisy fitoriana vita vokatry ny fitafiana sy ny taovolo mendrika.

15 min: Manao Fitoriana Mandaitra ny Tanora. Lahateny mampahery ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanany, izay hiditra hianatra tsy ho ela. Ampahatsiahivo ny tanora mba hanararaotra hitory any am-pianarana. Raha ampy ny fotoana, dia asao ny mpanatrika hitantara ny fitoriana nataony tany an-tsekoly.

Herinandron’ny 25 Aogositra

Hira 24, Hira 196

15 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Resaho ny “Fandaharan’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro”, ary lazao ny daty raha efa fantatra.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

15 min: Miomàna Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny zavatra raketin’ireo gazety, ary anontanio ny mpanatrika hoe: Inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany? Inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampidiran-dresaka? Ataovy fampisehoana ny fomba fanolorana gazety ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asaivo manao fomba fampiseho fohy ny anti-panahy iray, ka izay lahatsoratra mety amin’ny faritany no hampiasainy.

Herinandron’ny 1 Septambra

Hira 112, Hira 74

10 min:Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aogositra.

20 min: Tafasaraka Amin’ny Mpianakavy Nefa Tsy Hadino. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2008, pejy 25-28. Manonòna anarana Kristianina efa be taona eo anivon’ny fiangonana, izay mipetra-drery na miaraka amin’ny fianakaviana. Ampiasao ireo toro lalana ao amin’ilay lahatsoratra mba hampirisihana ny fiangonana hanohana an’ireo manan-kilema, na ireo tsy afaka mandray anjara firy amin’ny asan’ny fiangonana noho izay manjo azy.

15 min: Manomboha Fampianarana Baiboly Dieny eo Am-pitoriana Mandritra ny Septambra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hanolotra ny boky Ampianarina isika mandritra ny volana Septambra. Hiezaka isika mba handinika fehintsoratra vitsivitsy miaraka amin’ny tompon-trano, dieny eo am-pitoriana. Jereo indray ny fanoloran-kevitra ao amin’ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2006, ary ataovy fampisehoana ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara