FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/08 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 9 Jona
  • Herinandron’ny 16 Jona
  • Herinandron’ny 23 Jona
  • Herinandron’ny 30 Jona
  • Herinandron’ny 7 Jolay
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 6/08 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 9 Jona

Hira 121, Hira 201

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey sy ny Mifohaza! Mey.

20 min: Fomba Fanomanana ny Fampianarana Baiboly. Lahateny miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2004, pejy 1. Asio fampisehoana roa, amin’ny farany. Ny voalohany, mpitory manangona maimaika ny boky ilainy, ary manao topy maso an’ilay fianarana fotsiny. Ny faharoa kosa, mpitory manomana tsara, ka manaraka ny torohevitra sasany ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Aza Mitsahatra Mitory!”a Asao ny mpanatrika hanazava an’ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 16 Jona

Hira 90, Hira 54

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 2. Ampahatsiahivo ny mpanatrika hitondra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! Jona, amin’ny herinandro manaraka, sady hieritreritra mialoha ny fomba azo ametrahana an’ireo gazety ireo.

15 min: Ataovy Tsapan’ny Olona fa Mahasoa Azy ny Vaovao Tsara. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 159. Asao ny mpanatrika hilaza hoe inona avy no zavatra mampanahy ny olona eny amin’ny faritany, ary ahoana no ampifanarahantsika ny fitoriantsika amin’izany.

20 min: “Miomana mba ho Voavonjy ve ny Fianakavianao?”b Asao ny mpanatrika hanazava an’ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 23 Jona

Hira 140, Hira 82

10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty, ary ankasitraho ireo fanomezana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Jolay, ary asio fampisehoana iray.

20 min: Tsara Kokoa ny Fiainan’ny Mpisava Lalana Maharitra. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2008, pejy 17-19. Manadinadìna mpisava lalana roa. Raha azo atao, dia ny iray vaovao ary ny iray efa nanompo an-taonany maro. Asao izy ireo hitantara hoe inona avy no nihatsara tamin’ny fiainany, rehefa nanao mpisava lalana izy.

15 min: Miomàna Hanolotra ireo Gazety Farany. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny votoatin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! Jona. Anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Asao izy ireo hilaza ny hevitra tiany hasongadina, rehefa hametraka ireo gazety. Inona no fanontaniana tsara hanombohan-dresaka? Inona no andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra tsara hovakina? Asio fampisehoana avy eo, ka ampiasao ny fanolorana gazety ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, na ny soso-kevitra nomen’ny mpanatrika.

Herinandron’ny 30 Jona

Hira 97, Hira 179

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jona.

20 min: Hatsarao ny Fahaizanao Miresaka. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 62 fehintsoratra 4, ka hatramin’ny pejy 64 fehintsoratra 5. Ampifanaraho amin’ny fanao eo an-toerana ilay fanazavana. Adinadino ny mpitory iray mahay miresaka tsara amin’olona rehefa mitory isan-trano, na mitory tsy ara-potoana.

15 min: Tadidinao Ve? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2008, pejy 29.

Herinandron’ny 7 Jolay

Hira 125, Hira 188

10 min: Fampandrenesana.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: “Fotoana Hifaliana sy Handraisana Sakafo Ara-panahy.”c Ataon’ny mpitan-tsoratra. Lazao ny datin’ny fivoriambenareo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara