FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/08 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 11 Febroary
  • Herinandron’ny 18 Febroary
  • Herinandron’ny 25 Febroary
  • Herinandron’ny 3 Martsa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 2/08 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 11 Febroary

Hira 168, Hira 50

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy ny Mifohaza! Janoary. Azo atao ny mampiasa fomba fitory hafa mandaitra.

15 min: Afaka Manompo any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2003, pejy 20. Miresaha hevitra avy ao amin’ny boky Voalamina pejy 111, fehintsoratra 1 ka hatramin’ny pejy 112, fehintsoratra 1. Manadinadìna mpitory efa nanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa. Inona no olana hitany, ary ahoana no niatrehany izany? Inona no fitahiana azony?

20 min: Ampio Ireo Mpitory Vaovao mba Handroso. Aza atao mihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana. Iaraho midinika Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2005, pejy 31, ary ireo fanontaniana efa ao ampiasaina. Asio fampisehoana iray rehefa vita ny fehintsoratra 18: Mpitory vaovao miara-mitory amin’ny mpitory efa za-draharaha. Ilay mpitory vaovao no mitory, ary manohitra ilay olona itoriana. Tsy mety tsara ny valin-tenin’ilay mpitory, ka faranan’ilay olona ny resaka. Rehefa mandao an’ilay olona izy ireo, dia midera azy ilay mpitory za-draharaha noho ny ezaka nataony. Asehony azy, avy eo, ny fomba ampiasana ny boky Fanjohian-kevitra, mba hamaliana fanoherana toy ireny amin’ny manaraka.

Herinandron’ny 18 Febroary

Hira 17, Hira 194

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.

10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

25 min: “Porofon’ny Finoana Matanjaka!”a Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho eo am-pamaranana ireo zavatra tsara vitan’ny fiangonana tamin’ny taom-panompoana lasa.

Herinandron’ny 25 Febroary

Hira 81, Hira 119

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Febroary. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana. Ataovy fampisehoana ny fomba hanomezana fanasana ho amin’ny Fahatsiarovana, an’ireo havana sy mpiray tanàna.

20 min: “Tsarovy sy Ankasitraho ny Vidim-panavotana.”b Asao ny mpanatrika hanazava an’ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

15 min: Aoka Ianao ho Vonona Hanolotra An’ireo Gazety Farany. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny votoatin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy Mifohaza! Febroary. Avy eo dia anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Asao izy ireo hilaza izay hevitra tiany hasongadina, rehefa hametraka an’ireo gazety ireo izy. Inona no fanontaniana tsara apetraka mba hanombohan-dresaka? Inona no andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra tsara hovakina? Ataovy fampisehoana ny soso-kevitra omen’ny mpanatrika, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary.

Herinandron’ny 3 Martsa

Hira 223, Hira 145

10 min: Fampandrenesana. Resaho ireo hevi-dehibe ao amin’ilay efajoro hoe “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana.”

20 min: Afaka Manomboka Fampianarana Baiboly ve Ianao Amin’ny Martsa? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hametraka ny boky Ampianarina isika amin’ny Martsa, ary ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona. Resaho ny lafiny sasany mampiavaka an’io boky io. Iaraho midinika ny fomba azo ametrahana azy io, rehefa miverina mitsidika olona liana nandray fanasana amin’ny Fahatsiarovana, na rehefa mitsidika olona nandray gazety, na rehefa manolotra an’io boky io amin’ny olona itoriana isan-trano aorian’ny 22 Martsa. (Jereo ny km 8/07 p. 3; km 3/06 p. 1, feh. 3; km 1/06 p. 3-6.) Asio fampisehoana iray na roa.

15 min: Ampiasao ny Baiboly Rehefa Mamaly Fanontaniana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 143-144. Asio fampisehoana fohy: Mametraka fanontaniana fandre eo amin’ny faritany ilay olona itoriana. Mampiasa Baiboly ilay mpitory mba hamaliana izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara