Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 12 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra sy ny Mifohaza! Oktobra. Atolory miaraka ireo gazety, na dia ny iray ihany aza no asongadina.
15 min: Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2006, pejy 10-13. Manadinadìna anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana efa nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Anontanio azy hoe ahoana no nanampian’ilay sekoly azy hahay kokoa amin’ny asa fitoriana sy fiandrasana ary fampianarana. Ampirisiho ireo rahalahy mahafeno fepetra, mba hanao tanjona ny hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.
20 min: “Mitondrà Tena Tahaka ny Hendry.”a Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 19 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Desambra, ary asio fampisehoana iray.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Aza Miahotra!”b Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5, dia manontania mpitory efa nanampy olona handroso tao amin’ny fahamarinana. Asaivo resahiny ny fifaliana sy fahafaham-po tsapany. Ampiomano mialoha ny olona iray na roa mba hanome valin-teny.
Herinandron’ny 26 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy Mifohaza! Novambra.
15 min: Afaka “Mihamalalaka” ve Ianao? Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2007, pejy 9-11.
20 min: Ry Tanora, Ahoana no Azonareo Iderana An’i Jehovah? Fiaraha-midinika miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2005, pejy 26-28, fehintsoratra 15-19. Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 18, dia asao ny tanora vitsivitsy hitantara ny fomba nitoriany tamin’ny mpiara-mianatra na mpampianatra.
Herinandron’ny 3 Desambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Vaovao Farany. Ampirisiho ireo mampiasa ordinatera mba handinika ny Valin’ny Fanontanianareo.
15 min: “Ahy ny Volafotsy, ary Ahy ny Volamena.” Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2007, pejy 17-21.
15 min: “Torintsika ny Fanantenana Momba Ilay Fanjakana.”c Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.