Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Septambra
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra. Na gazety iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, amin’ireo fampisehoana ireo. Ilazao ilay olona fa afaka manome izay vola foiny izy.
15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny anti-panahy. Vakio sy hazavao ny andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
20 min: “Araho ny Modely Nomen’i Jesosy.”a Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny tamin’ny modely nomen’ny hafa.
Herinandron’ny 17 Septambra
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Inona no Zava-bitantsika Tamin’ny Taon-dasa? Miresaka momba ny taom-panompoana lasa ny mpiandraikitra ny fanompoana, ka mifantoka amin’ireo zavatra tsara vita teo amin’ny fanompoana. Manaova teny fiderana momba izany. Milazà lafin-javatra iray na roa azo iezahana mandritra ny taom-panompoana vaovao. Resaho ny asa nataon’ny mpisava lalana, ary derao izy ireo noho ny fahazotoany. Lazao ny vokatra tsara azo tamin’ny fanampiana ireo tsy nitory intsony.
20 min: Mpirahalahy Miray Saina. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny toko 16 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.
Herinandron’ny 24 Septambra
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Ampiasao Hanombohana Fampianarana Amin’ny Oktobra ny Taratasy Mivalona Mahafantatra ny Baiboly. Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! no hatolotra amin’io volana io. Azo anombohana fampianarana ilay taratasy mivalona, raha liana ilay olona. Omeo iray avy amin’izy io ny mpanatrika, raha misy, ary asio fanazavana fohy avy eo. Hazavao fa azo atao ny miara-midinika an’ilay taratasy mivalona manontolo na ny tapany aminy, dieny eo am-pitoriana na rehefa miverina mitsidika. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra sy ny Mifohaza! Septambra. Omen’ilay mpitory taratasy mivalona ilay olona tsy nandray gazety, amin’ny fampisehoana voalohany. Amin’ilay faharoa kosa, dia mandray gazety ilay olona, nefa mbola tolorany taratasy mivalona ihany. Iarahan’izy ireo midinika ny pejy 5 amin’izy io. Asehony azy koa ilay tapakila ahitana ny boky Ampianarina eo amin’ny pejy 6, ary lazainy fa hitondrany an’io izy amin’ny manaraka.
Herinandron’ny 1 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Septambra.
15 min: Taratasy avy Amin’ny Sampana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny taratasy eo amin’ny pejy voalohany. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra hitany nandritra ilay ezaka manokana natao, mba hanasana ny olona hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Dian’i Kristy!”
20 min: “Miezaha Hampitombo ny Fanompoanao.”b Manadinadìna rahalahy sy anabavy miezaka hampitombo ny fanompoany. Asao koa izy ireo hanazava izay ataony, mba hahitana fomba hanaovana izany foana. Ampiomano mialoha ny olona iray na roa mba hanome valin-teny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.