Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Jona
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey sy ny Mifohaza! Mey. Azo atao koa ny mampiasa fomba fitory hafa mandaitra.
15 min: Vonona Tsara Hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2002, pejy 24-28. Misalasala ny Kristianina sasany hanasa ny olona liana hianatra Baiboly. Mihevitra izy ireo fa tsy ho hainy ny hampianatra azy ireny. Ataon’i Jehovah anefa izay hahatonga antsika hahay hitory, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fandaminany. Tsy ny hametraka boky aman-gazety fotsiny no tanjontsika, fa tokony hiezaka hampianatra ny olona isika. (Matio 28:19, 20) Ampirisiho ny mpitory hitadidy foana fa ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona.
20 min: Ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra ny Zava-drehetra. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny toko faha-13 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.
Herinandron’ny 18 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3.
15 min: Tadidinao Ve? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2007, pejy 19.
20 min: “Faly Isika Miezaka Mafy Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah!”a Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 25 Jona
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! Jona. Azo atao koa ny mampiasa fomba fitory hafa mandaitra.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Afaka Miditra Amin’ny ‘Varavarana Lehibe Misokatra ho Amin’ny Asa’ ve Ianao?”b Adinadino vetivety ny mpisava lalana maharitra iray na roa. Inona avy no fanovana nataony mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana maharitra? Inona avy no fitahiana noraisiny?
Herinandron’ny 2 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jona. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Jolay, ary asio fampisehoana iray.
15 min: Fomba Mandaitra Hitoriana ny Vaovao Tsara ny Fitoriana Tsy Ara-potoana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 101-102. Milazà fomba sasany azo ampiharina hitoriana tsy ara-potoana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra nampahery hitany, rehefa nitory tsy ara-potoana izy ireo.
20 min: “Aoka Isika ‘Hamoa Be’ Hatrany.”c Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ilay efajoro hoe “Inona no Hanampy Antsika Hamokatra Hatrany?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2003, pejy 21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.