Vaovao Farany
◼ Tena faly isika fa nahatratra 17 251 ny tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory, tamin’ny Aogositra 2006. Fitomboana 13 isan-jato izany, raha oharina amin’ny salanisan’ny mpitory tamin’ny taon-dasa. Isaoranay ianareo rehetra nazoto nanatontosa ny andraikitrareo teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
◼ Asehon’ny tatitra ao amin’ny Diary isan-taona fa mitahy ny asantsika eto Madagasikara i Jehovah, ka isaorantsika izy noho izany. Nisy fitomboana valo isan-jato teto amintsika, tamin’ny taom-panompoana lasa. Mba eritrereto ange ny isan’ny aina voavonjy e! Nisy 1 418 ny natao batisa. Latsaka 60 eo ho eo izany raha oharina amin’ny isa tamin’ny taom-panompoana 2005. Tena mitahy antsika anefa i Jehovah, na izany aza. Mampahery be koa ny fitomboan’ny isan’ny mpianatra Baiboly. Nahatratra 38 519 izany tamin’ny antsalany, izany hoe nitombo 2 500 teo ho eo. Mbola be àry ny asa miandry antsika.
◼ Porofon’ny fandrosoan’ny asa koa ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2006 “Akaiky ny Fanafahana!” Fivoriambe 24 no natao tamin’ity taona ity, anisan’izany ilay vao nosantarina tany Fenoarivo Atsinanana. Nisy 42 074 ny isan’ny mpanatrika rehetra ary 731 ny natao batisa. Tena ankasitrahanay ireo rehetra nandeha an-tongotra an-kilaometatra maro mba hanatrehana fivoriambe. Hita tokoa fa nankamaminareo ilay fandaharana tsara nomanin’i Jehovah ho antsika.
◼ Isaoranay koa ireo ekipa mpanorina Efitrano Fanjakana. Tsy velom-pankasitrahana ve isika, noho ireo Efitrano Fanjakana 18 vita tamin’ny taon-dasa? Faly isika satria manana toerana tsara tarehy hivavahana amin’i Jehovah, ireo rahalahy sy anabavy mampiasa ireo Efitrano Fanjakana ireo.
◼ Faly koa izahay milaza aminareo, fa nisy fiangonana vaovao 3 niforona tamin’ny Aogositra 2006. Ireto avy izany: Ambondromisotra, Mahasoa Ihosy, Ranomafana Ifanadiana. Nisy iray koa niforona tamin’ny 1 Oktobra 2006, dia ny fiangonana Talatamaty Andrefana.