Valin’ny Fanontanianareo
◼“Mariho” ny olona tsy laitra fehezina ka tapaho ny fifaneraserana aminy, hoy ny 2 Tesalonianina 3:14. Fandaharana eo anivon’ny fiangonana mihitsy ve izany, sa fanapahan-kevitry ny Kristianina tsirairay?
Hita amin’ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Tesalonianina, fa ny anti-panahy no manapa-kevitra raha misy olona tokony ‘homarihina.’ Mampihatra ny torohevitr’izy ireo ny Kristianina tsirairay avy eo. Tokony hotadidin’izy ireo anefa fa ny hiaro ny finoan’ny fiangonana manontolo no antony anaovana izany. Hazava tsara amintsika ireo hevitra ireo, rehefa mandinika ny antony nanomezan’i Paoly an’io torohevitra io isika.
Anisan’ireo nanorina ny fiangonan’i Tesalonika i Paoly, satria nisy lehilahy sy vehivavy nampiany ho tonga mpino tany. (Asa. 17:1-4) Nidera sy nampahery azy ireo izy tatỳ aoriana, rehefa nanoratra avy tany Korinto. Nanome torohevitra nilain’izy ireo koa izy. Nampirisika azy ireo izy mba ‘hiaina amim-pilaminana, sy tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa, ary hiasa amin’ny tanany.’ Tsy nankatò an’izany anefa ny sasany, ka hoy i Paoly: “Mampirisika anareo ... izahay, ry rahalahy, mba hananatra ny tsy laitra fehezina, hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy.” Midika izany fa nisy olona “tsy laitra fehezina”a tany Tesalonika, ka nila torohevitra.—1 Tes. 1:2-10; 4:11; 5:14.
Nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesalonianina i Paoly, volana vitsivitsy taorian’izay. Mbola niresaka momba ny fanatrehan’i Jesosy izy tao amin’izy io. Mbola nohazavainy tao koa ny tokony hatao amin’ny olona tsy laitra fehezina, izay ‘tsy niasa mihitsy fa nitsofotsofoka tamin’ny raharaha tsy nahakasika azy.’ Tsy nazoto niasa toa an’i Paoly izy ireo. Tsy noraharahainy koa ilay didy nomen’i Paoly hoe mila miasa ny Kristianina. (2 Tes. 3:7-12) Nisy fepetra sasany àry nasain’i Paoly noraisina. Nananatra na nanoro hevitra an’ilay olona tsy laitra fehezina aloha ny anti-panahy vao noraisina ireo fepetra ireo. Hoy i Paoly:
“Mandidy anareo ... izahay, ry rahalahy, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina, izay tsy mitondra tena araka ny fampianarana noraisinareo avy taminay. Ary ianareo kosa, ry rahalahy, dia aza mba sasatry ny manao soa. Fa raha misy tsy mankatò ny teninay ato amin’ity taratasy ity, dia mariho izany olona izany, ka tapaho ny fifaneraserana aminy mba ho menatra izy. Aza dia atao toy ny fahavalo anefa izy na izany aza, fa anaro hatrany toy ny rahalahy.”—2 Tes. 3:6, 13-15.
Ankoatra ny zavatra efa nataon’ny anti-panahy àry, dia nila niala tamin’ilay olona tsy laitra fehezina ny fiangonana. Nomarihin’izy ireo izy, ary notapahiny ny fifaneraserana taminy. Nananatra azy toy ny rahalahy ihany anefa izy ireo, na izany aza. Inona no nahatonga ny fiangonana handray ireo fepetra ireo? Mba hahitana ny valin’izany, dia tadidio aloha fa tsy ireto toe-javatra telo ireto no tian’i Paoly horesahina:
1. Fantatsika fa tsy lavorary ny Kristianina ary manana kileman-toetra. Ny fitiavana anefa no mampiavaka ny tena Kristianina. Noho izany, dia mila miezaka hahatakatra ny antony anaovan’ny olona zavatra sasany isika, ary hamela ny fahadisoany. Mety ho sendra misafoaka, ohatra, ny Kristianina iray, toy ny nitranga tamin’i Paoly sy Barnabasy. (Asa. 15:36-40) Mety ho vizana koa ny olona sasany, ka hanao teny masiaka na mandratra. Afaka mamela izany fahadisoana izany anefa isika, raha maneho fitiavana sy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Ho azontsika atao foana amin’izay ny hiara-miaina sy hifanerasera ary hiara-miasa amin’ilay Kristianina namantsika. (Matio 5:23-25; 6:14; 7:1-5; 1 Pet. 4:8) Mazava àry fa tsy ireo karazana fahadisoana ireo no tian’i Paoly horesahina tao amin’ny Tesalonianina Faharoa.
2. Mety hanapa-kevitra ny Kristianina iray fa tsy hifandray be loatra amin’ny olona sasany izy, satria manao zavatra tsy mety izy io na tsy tsara ny fomba fisainany. Mety ho variana loatra amin’ny fialam-boly na ny vola aman-karena, ohatra, ilay olona. Mety hisy koa ray aman-dreny tsy hamela ny zanany hiaraka be loatra amin’ny tanora sasany, satria tsy miraharaha ny fahefan’ny ray aman-dreniny ilay tanora, na manao fialam-boly misy herisetra na mampidi-doza, na tsy manaraka tsara ny toro lalan’i Jehovah. Tsy ireo anefa no tian’i Paoly horesahina. Fanapahan-kevitry ny tsirairay fotsiny ireo, araka ny Ohabolana 13:20, manao hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 15:33.
3. Mbola ratsy noho ireo ilay toe-javatra noresahin’i Paoly tamin’ny Korintianina. Nanoratra ho azy ireo izy momba ny olona nanao fahotana lehibe sy tsy nety nibebaka. Tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona toy izany. Toy ny hoe natolotra ho an’i Satana ilay “mpanao ratsy.” Tsy navela hifanerasera taminy ny Kristianina tsy nivadika, taorian’izay. Tsy tokony hiarahaba azy akory aza izy ireo, hoy ny apostoly Jaona. (1 Kor. 5:1-13; 2 Jaona 9-11) Mbola tsy io ihany anefa no resahina ao amin’ny 2 Tesalonianina 3:14.
Tsy mitovy amin’ireo telo ireo ilay toe-javatra resahina ao amin’ny Tesalonianina Faharoa, momba ny olona “tsy laitra fehezina.” Nilaza mantsy i Paoly fa mbola “rahalahy” ireo olona ireo, ary tokony hanarina sy hoentina toy ny rahalahy. Tsy olana teo amin’ny samy Kristianina fotsiny àry ilay izy, nefa koa tsy lasa lavitra loatra ka nitaky ny handroahana an’ilay olona, toy ny nataon’i Paoly rehefa nisy ratsy fitondran-tena tao Korinto. Tsy nanao fahotana lehibe toy ilay lehilahy voaroaka tao Korinto, ny olona “tsy laitra fehezina.”
Tsy niraharaha tsotra izao ny fomba fiaina kristianina anefa ireo olona “tsy laitra fehezina” tao Tesalonika. Tsy nety niasa izy ireo, satria kamo angamba, na noheveriny fa efa akaiky ny fiverenan’i Kristy. ‘Nitsofotsofoka tamin’ny raharaha tsy nahakasika azy’ koa izy ireo, ka niteraka korontana be. Azo inoana fa efa imbetsaka ny anti-panahy no nanome torohevitra azy ireo, nifanaraka tamin’ny torohevitr’i Paoly tao amin’ilay taratasiny voalohany sy ny torohevitra hafa avy amin’Andriamanitra. (Ohab. 6:6-11; 10:4, 5; 12:11, 24; 24:30-34) Mbola nikiry tamin’izay nataony ihany anefa ireo olona ireo, ary nisy vokany ratsy teo amin’ny fiangonana izany. Natahorana hanao an’ilay zavatra tsy mety nataony koa ny Kristianina hafa. Nabaribarin’ny anti-panahy (izany hoe i Paoly) tamin’ny fiangonana àry ny fahadisoan’ireo olona tsy laitra fehezina ireo, na dia tsy notononiny aza ny anarany.
Nampahafantarin’i Paoly ny fiangonana koa, fa tokony ‘homarihin’ny’ Kristianina tsirairay ireny olona tsy laitra fehezina ireny. Nidika izany fa nila nofantarin’izy ireo hoe iza no manao ilay zavatra tsy mety nampitandremana ny fiangonana. Nanoro hevitra azy ireo i Paoly mba ‘hiala amin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina.’ Tsy nidika anefa izany hoe nihataka tanteraka tamin’ilay olona izy ireo. Nampirisihina mantsy izy ireo mba ‘hananatra [azy] hatrany toy ny rahalahy.’ Mbola nifandray taminy ihany izy ireo tany am-pivoriana, ary angamba teny amin’ny fanompoana. Nanantena izy ireo fa hanaiky ny fananarana nomena azy ilay rahalahy, ka hiala amin’ilay zavatra tsy mety ataony, izay niteraka korontana.
Inona àry no dikan’ilay hoe ‘miala’ aminy? Azo inoana fa ny tiana holazaina dia hoe tsy nanao zavatra niaraka taminy ny Kristianina hafa. Anisan’izany ny hoe miara-misakafo na miara-miala voly aminy, na ny toy izany. (Ampitahao amin’ny Galatianina 2:12.) Mety ho tsapany amin’izay fa tsy mankasitraka ny ataony ny olona manaraka ny toro lalan’Andriamanitra. Ary na tsy nahatsiaro ho menatra na niova aza izy dia, fara faharatsiny, tsy voatarika hanaraka ny ataony ny hafa. Etsy an-danin’izany, dia nila nampahery azy tamin’izay zavatra tsara nataony ny Kristianina hafa. Nanoro hevitra azy ireo i Paoly hoe: “Ary ianareo kosa, ry rahalahy, dia aza mba sasatry ny manao soa.”—2 Tes. 3:13.
Mazava àry fa tsy antony anambaniana na itsarana ny mpiray finoana amintsika sendra manao fahadisoana, ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly. Ny zava-kendrena amin’ilay izy kosa, dia ny hanampiana ny olona tsy miraharaha tsotra izao ny fomba fiaina kristianina, ka miteraka korontana.
Tsy nanome lalàna feno tsipiriany hanasaro-javatra fotsiny i Paoly. Mazava anefa fa tokony hanome torohevitra sy hiezaka hanampy an’ilay olona tsy laitra fehezina aloha ny anti-panahy. Raha tsy mandaitra izany, fa mikiry amin’izay ataony ihany ilay olona ary atahorana hitarika ny Kristianina hafa, dia mety hanapa-kevitra izy ireo fa mila hampitandremana ny fiangonana. Azon’izy ireo atao ny manao lahateny hanazavana hoe nahoana no tsy mety ny manahaka ny ataon’ilay olona tsy laitra fehezina. Tsy hanonona anarana izy ireo. Hiaro ny fiangonana anefa ilay lahateny fampitandremana, satria ho mailo kokoa ny olona mandray tsara an’ilay izy, ka tsy hifandray be loatra intsony amin’izay olona hita fa manao ilay zavatra tsy mety.
Antenaina fa ho menatra ilay olona rehefa mandeha ny fotoana, ka hiova. Rehefa hitan’ny anti-panahy sy ny Kristianina hafa fa miova tokoa izy, dia azon’ny tsirairay avy atao ny manapa-kevitra hifandray tsara aminy indray toy ny taloha.
Izao àry no amintinantsika azy: Raha misy olona tsy laitra fehezina, dia mila manampy sy manome torohevitra azy aloha ny anti-panahy. Raha tsy tsapan’ilay olona fa tsy mety ny ataony ary mety hanahaka azy ny hafa, dia azon’ny anti-panahy ampitandremana amin’ny alalan’ny lahateny ny fiangonana. Hohazavaina ao hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ilay zavatra tsy mety ataony. “Mampiaraka” amin’olona tsy mpino angamba izy, ohatra, na misy zavatra hafa ataony tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. (1 Kor. 7:39; 2 Kor. 6:14) Rehefa mahazo fampitandremana toy izany ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana, dia azony atao ny manapa-kevitra tsy hifandray be loatra amin’ilay olona miteraka korontana, na dia mbola raisina ho rahalahy na anabavy aza izy.
◼ Mety ve ny manao voka-dehibe na zavatra hafa hahazoam-bola, mba hanampiana ny fiangonana?
Fanaon’ny fivavahana maro ny manao fety na varotra na zavatra hafa hahazoam-bola. Mety hisy hihevitra fa atao noho ny antony tsara izy ireny. Karazana fangataham-bola anefa izy ireny, raha ny marina. Tsy mahazo fanampiana ara-bola avy amin’izany fomba izany ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tsy manahaka an’ireo fivavahana hafa isika, ka tsy mangata-bola. Izao no voalaza tao amin’ny laharana faharoan’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Aogositra 1879 momba izany: “I JEHOVAH no mpanohana ny ‘Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy. Hoy Izy: ‘Ahy ny volamena sy volafotsy eny an-tendrombohitra.’ Rehefa tsy manome ny vola ilaina intsony Izy, dia ho fantatsika fa tsy tokony havoaka intsony ireo boky.”
Mbola arahintsika ity toro lalan’ny Soratra Masina ity: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Kor. 9:7) Misy boaty ho an’ny fanomezana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba hahafahan’ny tsirairay hanao fanomezana an-tsitrapo raha tiany. (2 Mpanj. 12:10) Tsy angatahina mihitsy ny fanomezana, na koa hoe nomena satria misy zavatra hafa takalony.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny grika nadika hoe “tsy laitra fehezina” dia nentina nilazana ny miaramila tsy nijanona tao amin’ny laharana niaraka tamin’ny namany, na tsy nankatò ny lalàm-pifehezana. Nentina nilazana ny mpianatra ningitrika koa izy io.