Fampandrenesana
◼ Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa ny iray amin’ireto: Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! Raha tsy mandray an’io ilay olona, dia manolora bokikely Miambena Hatrany! Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Manolora boky Fahalalana raha mbola manana tahiry amin’izy io ny fiangonana. Azo atolotra koa ireo boky hafa miangona be ao amin’ny tahirim-boky. Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Halefa tsy ho ela any amin’ny fiangonana ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2007.
◼ Amin’ny asabotsy 22 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2008. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka voatery hitady toerana hafa ny fiangonana sasany. Tokony hifanaraka amin’ny mpikarakara an’ilay toerana ireo anti-panahy, mba ho azo antoka fa tsy hisy zavatra hafa hanabataba na hanelingelina. Fotoan-dehibe ny Fahatsiarovana, ka tokony hifantina rahalahy mahay mba hanao ilay lahateny ireo anti-panahy, fa tsy hifandimby fotsiny, na hanendry rahalahy mitovy foana isan-taona.
◼ Boky vaovao misy:
Asehoy eo Amin’ny Fiainanao fa Mitadidy ny Andron’i Jehovah Ianao anglisy, frantsay
Mifohaza! 2004 vita boky, frantsay
Tilikambo 2004 vita boky, frantsay
◼ Kasety efa misy ao amin’ny tahiry:
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly (kasety enina) malagasy
◼ Kasety vaovao misy:
Ankasitraho ny Lovantsika avy Amin’Andriamanitra (Fampisehoana tantara) malagasy