Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Desambra 2006. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 6 Novambra ka hatramin’ny 25 Desambra 2006 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36-37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa mifidy fomba hampidirana andinin-teny? [be p. 148, feh. 5–p. 149, feh. 2]
2. Inona avy no fomba azontsika ampiasaina mba hanamafisan-teny? [be p. 151, feh. 5–p. 152, feh. 3]
3. Zava-dehibe ny mampianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona. Inona àry no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’? (2 Tim. 2:15) [be p. 153, feh. 1-3, efajoro; p. 154, feh. 1-2]
4. Inona no tokony hataontsika mba ho hita mazava ny fampiharana ny andinin-teny vakintsika? [be p. 154, feh. 4–p. 155, feh. 3]
5. Nahoana no tena ilaina ny manasongadina ny hevitra tokony hampiharina, ary ahoana no anaovana izany? [be p. 157, feh. 1-4, efajoro; p. 158, feh. 1]
ANJARA No. 1
6. Nahoana i Solomona no nantsoina hoe mpamory? [si p. 112, feh. 1-3]
7. Inona no itovian’ny bokin’ny Mpitoriteny sy ny fampianaran’i Jesosy? [si p. 114, feh. 16]
8. Inona no porofo fa kanônika, na boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina, ny Tonon-kiran’i Solomona? [si p. 115, feh. 3-4]
9. Nahoana ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia no porofo mampiaiky, fa mitovy amin’ny tany am-boalohany ny Baiboly ampiasaintsika ankehitriny? [si p. 118, feh. 6]
10. Inona no hanampy ny mpandahateny tsy hanoratra teny betsaka? [be p. 42, feh. 2]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Nahoana no lazaina fa “izay mitady an’i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra”? (Ohab. 28:5)
12. Nahoana ‘ny fisasaran’ny adala no mahareraka’ azy? (Mpit. 10:15)
13. Ahoana no nampisehoan’ilay tovovavy solemita fa toy ny “saha voahidy” izy? Ary nahoana izy no modely ho an’ny vehivavy kristianina tsy manambady? (Tonon. 4:12)
14. Nanasa ny Israelita “hifandahatra” taminy i Jehovah. Midika ve izany fa vonona ny hitady marimaritra iraisana tamin’ny vahoakany izy? (Isaia 1:18a)
15. Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 11:6-9 tamin’ny andro fahiny, ary inona no fahatanterahany lehibe kokoa?