FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/06 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 11 Desambra
  • Herinandron’ny 18 Desambra
  • Herinandron’ny 25 Desambra
  • Herinandron’ny 1 Janoary
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 12/06 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 11 Desambra

Hira 174, Hira 193

10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra sy ny Mifohaza! Novambra. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny hamaliana ny hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, p. 15-16.

15 min: Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2007. Lahateny sy fanadinadinana ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Asongadino ny hevitra sasany ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2006. Hazavao fa tsy milaza mialoha ny zavatra tandreman’ny mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly. Hamita ny famakiana ny Soratra Hebreo manomboka eo amin’ny Isaia toko faha-24 ka hatramin’ny Malakia isika, amin’ny taona 2007. Mety tsara amin’ireo rahalahy voatendry hanao ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, sy ireo manome valin-teny àry, ny mampiasa ny bokintsika manazava ireo boky ara-paminaniana ireo. Manadinadìna mpitory roa na telo: mpianatra vaovao, mpianatra tanora mandroso tsara, na mpianatra za-draharaha. Asao izy ireo hitantara ny vokatr’ilay sekoly, teo amin’ny fanompoany sy teo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Ampirisiho ny rehetra hazoto hanao ny anjarany ka handray anjara amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly. Ampirisiho koa izy ireo hampihatra ireo fanoloran-kevitra omena isan-kerinandro avy ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

20 min: “Aza Avela Hihena ny Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany.”a Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 18 Desambra

Hira 150, Hira 108

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Vaovao Farany. Resaho ny fandaharana manokana momba ny fitoriana amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.

15 min: “Tsidiho Izay Rehetra Liana.”b Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nataony mba hahazoany ny nomeraon’ny telefaonin’ny olona liana na ny adiresiny, rehefa nitory tsy ara-potoana na teny an-dalana izy ireo. Asao koa izy ireo hitantara ny zavatra niavaka hitany, rehefa niverina nitsidika an’ireo olona ireo. Ampiomano mialoha ny olona iray na roa mba hanome valin-teny.

20 min: “Mahazo Fitahiana Izay Tia Manolo-tena.”c Manadinadìna mpitory iray na roa hita fa tia manolo-tena. Ahoana no nanehoan’izy ireo izany toe-tsaina izany? Inona no fanitsiana nilainy natao, ary ahoana no nanaovany izany? Inona no fitahiana azony noho izany?

Herinandron’ny 25 Desambra

Hira 210, Hira 219

10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy ny Mifohaza! Desambra. Amin’ny faran’ny fampisehoana tsirairay dia mametraha fanontaniana mampisaintsaina, izay azo valiana amin’ny boky Ampianarina, rehefa miverina mitsidika.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: “Manana Faritany ve Ianao?”d Asaivo lazain’ny mpiandraikitra ny fanompoana vetivety ny haben’ny faritany nanendrena ny fiangonana. Asaivo lazainy koa hoe impiry izy io no iasana, ary mbola misy faritany azon’ny mpitory angatahina ve. 

Herinandron’ny 1 Janoary

Hira 158, Hira 65

5 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra.

15 min: Tatitra Momba ny Fandrosoan’ny Fanompoana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, manomboka eo amin’ny lohatenikely eo amin’ny pejy 83 ka hatramin’ny faran’ilay toko.

25 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny anti-panahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara