Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra sy ny Mifohaza! Oktobra. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ny fomba hamaliana ny hoe: “Fantatro tsara tokoa ny asanareo.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, p. 20.
20 min: Mpitory ny Vaovao Tsara. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 77 ka hatreo amin’ny lohatenikely eo amin’ny pejy 83.
15 min: “Sahy Nefa Tia Fihavanana.”a Miresaha fanazavana avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 252-253, eo ambanin’ilay lohatenikely amin’ny sora-mandry hoe “Rahoviana no mandefitra?”
Herinandron’ny 20 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Fanolorana ny boky Lehilahy Miavaka amin’ny Desambra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asao ny mpanatrika hilaza izay tiany amin’ilay boky Lehilahy Miavaka. Asao koa izy ireo hitantara ny zavatra niavaka hitany, rehefa nanolotra azy io teny amin’ny fanompoana. Jereo indray ireo fomba fitory ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005. Manaova fampisehoana miorina amin’ny iray amin’ireo fomba fitory ireo, na hafa, ka mandaitra.
Herinandron’ny 27 Novambra
5 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana.
10 min: “Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!”b Ampirisiho ny fiangonana hampiasa tsara ireo lafiny mampiavaka an’ilay boky, anisan’izany ireo efajoro sy sary. Ny Baiboly no ampiasao mba hanaovana famerenana, isaky ny mifarana ny lesona tsirairay.
15 min: “Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?”c Asio fampisehoana telo minitra ataon’ny mpitory roa, mpivady raha azo atao. Mifidy fomba fitory iray eo amin’ny pejy 8 izy ireo mba hanolorana ireo gazety Novambra. Jereny ny fomba hampiasany azy ireo, ka ataony amin’ny fomba fiteniny izany. Mampiasa ny fanoloran-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra vao nodinihina izy ireo avy eo, mba hanomanana ny fomba hampisehoana lahatsoratra iray hafa, izay hitany fa mety tsara amin’ny faritaniny.
15 min: “Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika sy fampisehoana. Tokony hanaraka akaiky ny drafitra nomen’ny sampana ny anti-panahy manao ity anjara ity.
Herinandron’ny 4 Desambra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra.
15 min: Fiaraha-miasa ho Fiderana An’Andriamanitra. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2006, pejy 17-21.
20 min: Ampiasao ny Baiboly mba Hamaliana Fanontaniana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2002, pejy 17-18, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Mampiseho fa tia ny fahamarinana ampianarintsika.” Asao ny mpanatrika hamaly ny fanontaniana tsirairay. Manaova fampisehoana iray: Mpitory mampiasa ny boky Fanjohian-kevitra, mba hahitana andinin-teny hamaliana ny fanontanian’ny mpiara-miasa hoe: “Nahoana ianareo no tsy mankalaza Krismasy?”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.