FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/06 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 6/06 p. 7

Fampandrenesana

Jona: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Boky Fahasambaram-pianakaviana no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana—Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Boky Ampianarina. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Tokony hotsidihina ireo rehetra nametrahana boky, ary ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly.

◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Jolay, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

◼ Hodinihina mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Septambra, ny fanazavana ao amin’ilay video Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana? Izay mila an’io kasety video io, dia tokony hanafatra izany, haingana araka izay azo atao, amin’ny alalan’ny fiangonana.

◼ Tokony hataon’ny mpitan-tsoratra ampy tsara ny taratasy Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Maharitra (S-205) sy ny Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Mpanampy (S-205b). Azo hafarana amin’ny alalan’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo. Manàna tahiry ho an’ny herintaona, fara fahakeliny. Hamarino raha feno tsara ireo taratasy fangatahana ho mpisava lalana maharitra, alohan’ny handefasana azy atỳ amin’ny sampana.

◼ Rehefa mandefa taratasy fangatahana hanao mpisava lalana maharitra atỳ amin’ny biraon’ny sampana ianareo, dia tsara raha alefanareo iray volana alohan’ny daty hanombohan’ilay mpitory ny asan’ny mpisava lalana izany, fara fahakeliny. Tokony hohamarinin’ny mpitan-tsoratra raha feno tsara ilay taratasy. Raha tsy mahatadidy ny datin’ny batisany ilay mpanao fangatahana, dia tokony hotombanany izany ka hosoratany mba ho tadidiny. Hosoratan’ny mpitan-tsoratra ao amin’ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory (S-21) ilay daty.

◼ Kasety vaovao:

Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara