Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Jona 2006. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 1 Mey ka hatramin’ny 26 Jona 2006 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Inona no atao hoe fanovaovam-peo, ary nahoana izany no tena ilaina? [be p. 111, efajoro]
2. Ahoana no azontsika anovaovana ny hafainganam-pitenintsika rehefa manao lahateny? [be p. 112, feh. 3–p. 113, feh. 1, efajoro]
3. Ahoana no azontsika ianarana haneho hafanam-po rehefa manao ny anjarantsika, ary nahoana izany no tena ilaina? [be p. 115, feh. 1–p. 116, feh. 2, efajoro]
4. Nahoana no tena ilaina ny hatsaram-panahy rehefa mampianatra, ary inona no hanampy antsika haneho izany? [be p. 118, feh. 2–p. 119, feh. 5]
5. Hazavao fa tena ilaina ny fihetsehana sy izay asehon’ny endrika mba hilazana hevitra. (Matio 12:48, 49) [be p. 121, efajoro]
ANJARA No. 1
6. Ahoana no anandratan’ny bokin’i Joba an’i Jehovah sy anantitranteran’izy io ny fahamarinan’ireo fitsipiny momba ny fiainana? [si p. 100, feh. 39, 41]
7. Inona no manaporofo fa azo itokisana ny Salamo? [si p. 102, feh. 10-11]
8. Olona fetsifetsy ve no lazain’ny Ohabolana 13:16 hoe mahira-tsaina? Hazavao. [w 15/7/04 p. 28, feh. 2-3]
9. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika, ary tokony handrisika antsika hanao inona izany? (Jaona 14:25, 26) [be p. 19, feh. 2-3]
10. Inona, amin’ny ankapobeny, no dikan’ny hoe avy i Jesosy, ary inona ilay hoe “ho tonga” resahiny ao amin’ny Matio 16:28? [w 1/3/04 p. 16, efajoro]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay navalin’i Joba an’i Jehovah ao amin’ny Joba 42:1-6?
12. Inona ilay “anoano foana” sainin’ny firenena? (Sal. 2:1, 2)
13. Inona ireo fanorenana lazaina fa rava? (Sal. 11:3)
14. Inona no dikan’ilay hoe “mamaly dia mamaly” ny mpiavonavona i Jehovah? (Sal. 31:23)
15. Inona no fampiononana raisintsika avy amin’ny Salamo faha-40, ka manampy antsika tsy ho kivy noho ny tsy fahalavorariantsika sy ny fahoriana mahazo antsika eto amin’ity tontolo ity? (Sal. 40:1, 2, 5, 12)