Ahoana koa no Azontsika Ampiasana ny Fanondroana?
1 Hodidiana tsy ho ela ny zanaky ny mpivady iray, ka miomana ho amin’izany izy roa. Mieritreritra ny amin’izay tokony hatao izy ireo. Raisiny ny boky Fanondroana, ary jereny ny lohateny hoe “Fampidiran-dra.” Mijery ao amin’ilay lohatenikely hoe “fandidiana tsy ampiasana ra” izy ireo, ary mahita erỳ ambanimbany hoe “ny tokony hatao mba ho azo antoka.” Ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1994 no loharanon-kevitra omena eo. Nahazo azy io daholo ny Vavolombelon’i Jehovah vita batisa rehetra. Vakin’izy ireo ny fehintsoratra faha-13-15. Fintininy avy eo ny fehintsoratra faha-30-33. Vakiny, amin’ny farany, ny fehintsoratra faha-38. Miara-manaiky izy roa fa mbola misy zavatra hafa mila ataony, mba hahavonona tsara azy.
2 Manatona anti-panahy ny mpitory vaovao iray. Nisy nanontany azy teny amin’ny fanompoana hoe: “Ahoana no ihinanana ny nofon’i Jesosy, araka ny Jaona 6:53?” Atoron’ilay anti-panahy azy ny Fanondroana Andinin-teny, ary tadiavin’izy ireo ao ny Jaona 6:53. Anisan’ny loharanon-kevitra eo akaikin’izy io ny boky Lehilahy Niavaka toko 55. Jeren’izy ireo ilay izy, ary vakiny ny fehintsoratra faha-2-5. Milaza aminy koa ilay anti-panahy fa azony atao ny mijery ny lohateny hoe “Fihinanana.” Misy lohatenikely hoe “ ‘nofon’i’ Jesosy” ao amin’izy io, ary mbola ny Lehilahy Niavaka toko 55 ihany no loharanon-kevitra eo akaikiny.
3 Manan-janaka mianadahy efa ho lasa zatovo ny mpivady iray. Te hanomana ny zanany hiatrika io fotoan-tsarotra io izy ireo. Miara-mijery ny Fanondroana àry izy mivady. Jereny aloha ilay lohateny hoe “Fifampiresahana”, ary mahita lohatenikely hoe “fianakaviana” izy erỳ ambanimbany. Misy teny hoe “ray aman-dreny, amin’ny tanora” ao amin’izy io. Anisan’ny loharanon-kevitra eo akaikiny ny boky Fahasambaram-pianakaviana pejy 65-71. Fintinin’izy ireo ny fehintsoratra faha-8, ary vakiny ny fehintsoratra faha-9 sy faha-10. Asaina jeren’izy ireo koa ny boky Manontany ny Tanora, fizarana faha-6, manao hoe “Ny Maha-lahy sy ny Maha-vavy ary ny Fari-pitondran-tena.”
4 Manao fikarohana fanampiny izy ireo, ka mijery ny lohateny hoe “Ray aman-dreny.” Mahita lohatenikely hoe “fampianarana momba ny lahy sy ny vavy” izy ireo erỳ ambanimbany. Anisan’ny loharanon-kevitra eo akaikin’izy io ny Fahasambaram-pianakaviana pejy 90-94. Vakin’izy ireo ny fehintsoratra faha-7 sy 11.
5 Mifanaraka izy mivady fa hiara-midinika an’ireo fanazavana ireo amin’ny zanany mianadahy, amin’ny herinandro manaraka na amin’ny tapa-bolana. Ilay reny no hiresaka amin’ny zanany vavy, ary ilay ray no hiresaka amin’ny zanany lahy.
6 Manatona mpisava lalana iray ny anabavy iray. Nisy ramatoa nanontany azy tamin’io andro io hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mitandrina ny Sabata rehefa asabotsy. Asehon’ilay mpisava lalana ny Fanondroana. Mijery ny lohateny hoe “Kristianina” izy ireo, ary midina eny amin’ilay lohatenikely hoe “fiheverany ny.” Mahita teny hoe “fitandremana Sabata” izy ireo erỳ ambanimbany. Anisan’ny loharanon-kevitra omena eo ny boky Fanjohian-kevitra pejy 362-368. Iarahan’izy ireo midinika avy eo io boky io, eo amin’ilay lohatenikely hoe “Moa ve ny kristiana voatery mitandrina andro sabata iray isan-kerinandro?” sy ilay hoe “Raha misy milaza aminao hoe: ‘Tokony hitandrina ny sabata ny kristiana.’ ”