FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/06 p. 3-5
  • Faly Satria Manana Fahalalana Marina Tsara Be dia Be

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Faly Satria Manana Fahalalana Marina Tsara Be dia Be
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 5/06 p. 3-5

Faly Satria Manana Fahalalana Marina Tsara Be dia Be

1 Hoy ny ankizikely iray mahafatifaty, atao hoe Lalatiana, tamin’i Tovo rainy: “Dada a! Tsy mahazo mivoaka ny trano, hono, i Lalao, fa voan’ny kitrotro. Inona kay izany kitrotro izany?” Nitsiky i Tovo. Toy ireny olon-dehibe ireny mihitsy mantsy io zanany efa-taona io, isaky ny nanontany zavatra. Hitan’i Tovo anefa fa tena te hahalala ny valin’ny fanontaniany izy, ka nampofoiny moramora, ary nohazavainy tsotsotra ny atao hoe kitrotro.

2 Ankizy be fanontaniana i Lalatiana. Nahita holatra naniry teo an-tokotany izy tamin’izy fito taona, ka nanontany indray hoe: “Fihinana ve itony ry Dada?”

3 Efa nahay namaky teny izy tamin’izay, ka tapa-kevitra i Tovo fa hampianatra azy hitady ny valim-panontaniany. Hoy izy tamin-janany: “Azoko lazaina anao ny valiny, nefa aleo aloha hojerentsika ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hokarohintsika ao ny hoe ‘holatra’, dia ho hitantsika eo izay lazainy. Ho hitanao fa tena mahafinaritra ny mitady valim-panontaniana ao.”

4 Rehefa 16 taona i Lalatiana, dia nasain’ny mpampianatra nikaroka momba ny trondro “fay” ny kilasy nisy azy. Niara-nijery ny loha hevitra hoe “fay” tao amin’ny Fanondroana indray àry i Lalatiana sy ny rainy, ka nahita fa misy lahatsoratra iray manontolo miresaka azy io ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2000.

5 Raha ianao no ray na renin’i Lalatiana, tsy ho faly be ve ianao mijery azy mitombo ara-batana sy ara-tsaina ary mihamahay miatrika ny fiainana? Nazoto namaly ny fanontaniany ny rainy, tamin’izy mbola kely. Rehefa nihanahay anefa izy, dia nampianarin-drainy hitady ny valin’izany. Fampiofanana tena tsara izany! Eritrereto koa ny hafalian’i Lalatiana, rehefa hitany fa lasa nitombo fahalalana sy fahaizana izy.

6 Hahamenatra tokoa raha mbola nanontany ny ray aman-dreniny foana i Lalatiana, na dia efa nahay nitady ny valin’ny fanontaniany aza. Toy ny hoe mbola zaza foana izy, raha izany no nataony. Ny olona kamo sy miandry hotoloram-potsiny no toy izany. Tsy hahatsapa firy an’ilay fifaliana azo avy amin’ny fikarohana sy fahalalana zava-baovao izy.

7 Fahamatorana ara-panahy: Fantatsika Kristianina fa mila mitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy koa isika, izany hoe miezaka ny ho matotra ara-panahy. Izany no tanjona tokony hotratrarintsika, na tanora isika na antitra. Nivavaka ny apostoly Paoly mba hanao izany hatrany ny Kristianina. “Nangataka” izy “mba hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapon[’Andriamanitra]” izy ireo, ka “hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah” izy ireo, ka “hankasitrahany tanteraka.”—Kol. 1:9, 10.

8 Rehefa misy fanontaniana mipetraka: Mbola alaintsika ho ohatra ihany i Lalatiana. Nanomboka nampianatra Baiboly an’i Mirana izy. Nametraka fanontaniana be dia be i Mirana isan-kerinandro. Nazoto namaly ny fanontaniany i Lalatiana, satria fantany fa mbola zaza ara-panahy izy. Nahafinaritra azy ny nanampy an’i Mirana hahalala tsara kokoa an’Andriamanitra, ka ho faly noho izany.

9 Rehefa avy nianatra am-bolana vitsivitsy izy ireo, dia hoy i Mirana tamin’i Lalatiana: “Namaky ny Matio 12:8 aho. Niantso ny tenany hoe ‘Tompon’ny sabata’ i Jesosy ao. Inona no dikan’izany?” Nilaza i Lalatiana fa hanao fikarohana aloha vao hamaly ilay fanontaniana. Nieritreritra i Mirana nandritra ny herinandro hoe ahoana no hahitan’ilay mpampianatra azy ny valin’ny fanontaniany. Fantatr’i Mirana fa misy anti-panahy mahay Baiboly, any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanontany azy ireo ve i Lalatiana?

10 Rehefa tonga ny fianarana manaraka, dia nasehon’i Lalatiana azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, pejy 9. Voalaza ao amin’io gazety io fa anisan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely ny Sabata, ka “aloky ny zavatra tsara ho avy” izy io. (Heb. 10:1) Ireo andro fiasana enina mandritra ny herinandro, dia mampahatsiahy antsika an’ireo 6 000 taona lasa nanjakan’i Satana tamin’ny olona, ka nanandevozany sy nampahoriany azy ireo. Ny andro sabata amin’ny faran’ny herinandro kosa, dia mampahatsiahy antsika an’ilay fitsaharana hiainan’ny olombelona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, ka hitondra fiononana ho azy ireo.

11 “Nanontanianao olona tany amin’ny fiangonana ve izany?”, hoy i Mirana.

12 “Rehefa tsy mahita ny valin’ny fanontaniako aho vao manao izany”, hoy i Lalatiana. “Mino aho aloha fa ho nanome ahy soso-kevitra vitsivitsy ny anadahy tany amin’ny fiangonana, raha nanontany azy ireo aho. Naleoko anefa nanao fikarohana. Fa momba izany indrindra, dia nentiko atỳ aminao androany ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 1991 hatramin’ny 2000. Aleo atoroko anao ny fampiasana azy. Afaka mizatra mampiasa azy ity isika, isaky ny misy fanontaniana amin’ny manaraka. Ho hitanao fa ianao ihany dia afaka hahita haingana ny valin’ny ankamaroan’ny fanontanianao, ary ho afa-po ianao.”

13 Fampiasana ny Fanondroana: Hitanao ve fa tsy mitovy ny zavatra nataon’i Lalatiana sy Mirana rehefa nitady valim-panontaniana izy ireo? Tsy nanontany olona fotsiny i Lalatiana, fa izy mihitsy no nanao fikarohana. Ary inona no ho nataonao raha ianao no tojo fanontaniana? Mamoaka fanondroana boky ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona, ho an’ny boky sy gazety nivoaka nandritra ny taona manontolo. Natao hanampiana ny Kristianina hanao fikarohana ara-baiboly izany, ka hanana fahalalana marina tsara be dia be, sy ho faly noho izany. Mizara ho Fanondroana Foto-kevitra sy Fanondroana Andinin-teny izy io. Rehefa mijery ny Fanondroana ianao, dia hahita foto-kevitra na andinin-teny novelabelarina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, sy Mifohaza!, na boky hafa mivoaka isan-taona. Andeha isika haka ohatra, mba hahitana ny fomba tsara ampiasana ny Fanondroana.

14 Nijery tao amin’ilay fizarana hoe Fanondroana Foto-kevitra, ao amin’ny Fanondroana ho an’ny taona 1991-2000, i Lalatiana. Te hahafantatra ny momba ilay teny hoe “Tompon’ny sabata” izy. Nojereny aloha ilay lohateny hoe “Jesosy Kristy.” Nahita lohatenikely hoe “Tompo” izy tao amin’izy io. Misy teny hoe “Tompon’ny sabata” eo ambaniny, ary ahitana loharanon-kevitra vitsivitsy, ka “w96 1/11 9” ny iray. Mety ho nijery tany amin’ilay lohateny hoe “Andro Sabata” koa i Lalatiana. Misy lohatenikely hoe “Jesosy Kristy” ao amin’izy io, ary misy hoe “Tompon’ny sabata” eo ambaniny.

15 Ahoana anefa raha mila fanazavana momba ny foto-kevitra iray ianao, nefa tsy hitanao ao amin’ny Fanondroana ny teny ao an-tsainao? Aoka hatao hoe tianao ho fantatra hoe impiry ny olona no nandre ny feon’i Jehovah, ary oviana izany no nitranga. Tsaroanao fa efa nisy lahatsoratra niresaka an’izany. Inona no tokony hojerenao ao amin’ny Fanondroana ho an’ny taona 1991-2000? Tadidio fa mitanisa foto-kevitra ny fizarana voalohany ao. Inona àry ny foto-kevitra hojerenao? Mieritreritra momba an’i Jehovah sy ny feony angamba ianao. Nahoana àry raha mijery an’ilay lohateny hoe “Jehovah”? Hahita lohatenikely hoe “feo” ianao ao amin’izy io. Asaina mijery ny boky Lehilahy Niavaka, lesona faha-12 sy 60 ary 104 ianao eo ambanimbany. Ho hitanao ao fa toa intelo ny olona no nandre ny feon’i Jehovah, ary tamin’i Jesosy teto an-tany avokoa no nitrangany. Mitantara izany ny Matio 3:17; 17:5 sy Jaona 12:28.

16 Afaka mampiasa ny Fanondroana koa isika rehefa manomana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Andeha, ohatra, hojerentsika ny fandaharana amin’ny herinandron’ny 3 Jolay 2006. Ao amin’ny Salamo 60-68 ny famakiana Baiboly, ary izao no lohatenin’ny anjara No. 3: “Afa-tsiny ve Ireo Mandika ny Lalàn’Andriamanitra, Rehefa Manao Asa Kristianina?” Tsy misy loharanon-kevitra omena anefa amin’ireo.

17 Mety hanontany, ohatra, isika rehefa mamaky ny Salamo 68:18 hoe: “Ahoana no iakaran’i Jehovah any amin’ny avo?” Jereo ny Fanondroana any amin’ny Fanondroana Andinin-teny, ary tadiavo ny Salamo 68:18. Hahita loharanon-kevitra roa ianao. Rehefa mijery ny iray ianao, izany hoe Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1999, pejy 9 sy 10, dia hahita an’izao: “Taona maromaro taorian’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia ‘niakatra’ tamin’ny heviny ara-panoharana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah, ka nanao an’i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakan’ny Israely, ary nanao an’i Davida ho mpanjakany.” Hevitra mahaliana tokoa izany!

18 Ary inona kosa no fanazavana azontsika ampiasaina amin’ilay anjara No. 3 hoe: “Afa-tsiny ve Ireo Mandika ny Lalàn’Andriamanitra, Rehefa Manao Asa Kristianina?”

19 Aleo hoeritreretintsika! Anisan’ny asa kristianina lehibe tsy tiantsika hajanona ny fivoriana. Andeha àry hojerentsika ao amin’ny Fanondroana ny hoe “Fivoriana.” Hahita lohatenikely hoe “fanatrehana” isika ao amin’izy io, ary misy hoe “na eo aza ny adidy hafa” erỳ ambanimbany. Ny “w98 1/9 19-21” no loharanon-kevitra eo. Hoy io Tilikambo io: “Fotoana fohy taorian’ny nahazoan’ireo Isiraelita ny Didy Folo, dia tratra nanangona kitay tamin’ny andro Sabata ny lehilahy iray. Voararan’ny Lalàna tamin’ny fomba hentitra izany. (Nomery 15:32-34; Deoteronomia 5:12-15). Ahoana no ho nitsaranao ilay raharaha? Ho nanala tsiny ilay lehilahy ve ianao tamin’ny filazana fa raha dinihina tokoa, dia tsy mba ny hananana fiainana be aingitraingitra akory no nanaovany ilay asa, fa mba hanomezana zavatra tena nilain’ny fianakaviany? Ho nanjohy hevitra ve ianao hoe nisy fotoana maro nandritra ny taona nahafahana nitandrina ny Sabata, ka azo navela mora foana izay tsy fitandremana indray mandeha, angamba noho ny tsy nanaovan’ilay olona fandaharana mialoha?”

20 “Nihevitra ilay raharaha ho zava-dehibe kokoa i Jehovah. Izao no lazain’ny Baiboly: ‘Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany.’ (Nomery 15:35). Nahoana i Jehovah no tezitra mafy tamin’izay nataon’ilay lehilahy?”

21 “Nanana andro enina ny olona mba hanangonana kitay sy hikarakarana izay nilainy teo amin’ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana. Tokony hatokana ho amin’ireo zavatra nilainy ara-panahy ny andro fahafito. Na dia tsy ratsy aza ny nanangona kitay, dia ratsy ny nampiasa ilay fotoana tokony ho natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah mba hanaovana izany. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina, moa ve io fisehoan-javatra io tsy mampianatra antsika lesona, dia ny hoe tokony hoferantsika tsara ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana amin’izao andro izao?—Filipianina 1:10.”

22 Andeha isika haka ohatra hafa. Ao amin’ny Salamo 79-86 ny famakiana Baiboly amin’ny herinandron’ny 24 Jolay. Rehefa mamaky ny Salamo 84:3 isika, dia mety ho te hahalala hoe nahoana ilay mpanao salamo no niresaka fa manana trano ny vorona, nefa ny tempoly no noresahiny. Andeha àry hojerentsika ny Fanondroana Andinin-teny. Tadiavintsika ny Salamo 84:3. Ny “w97 15/3 8, 9” no loharanon-kevitra eo. Tena mahavariana ny fampitahana ataon’io Tilikambo io. Hoy izy: “Noho ilay mpanao salamo Levita tsy isan’ny mpisorona, dia tsy afaka nanompo tao amin’ny tempoly afa-tsy herinandro iray isaky ny enim-bolana, izy. (1 Tantara 24:1-19; 2 Tantara 23:8; Lioka 1:5, 8, 9). Ny sisa tamin’ny fotoanany dia lany tany an-trano, tany amin’ny iray amin’ireo tanànan’ny Levita. Noho izany, dia nihira toy izao izy: ‘Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany, dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ny maro, ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.’ (Salamo 84:3). Toy inona moa ny hafalian’ilay Levita raha mba toy ny vorona izy ka nanana toerana ipetrahana maharitra kokoa tao amin’ny tempoly!”

23 Tena betsaka àry ny fanazavana tsara ananantsika. Mora hita izy ireny ary azo ampiasaina amin’ny anjara. Hahangona boky maro feno fahalalana sarobidy ianao amin’ny farany, raha mitahiry Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary boky ara-baiboly ao amin’ny fitahirizam-bokinao, isaky ny mivoaka izany. Afaka mikaroka ao amin’izy ireo fotsiny ianao, rehefa misy fanontaniana mila valiny. Inona anefa no azonao atao, raha mijery ny Fanondroana ianao, nefa tsy anananao ny boky na gazety atorony? Misy fitahirizam-boky saika any amin’ny Efitrano Fanjakana rehetra. Azo ampiasaina aloha sy aorian’ny fivoriana izy ireny. Nahoana raha mijery any? Misy olona manana fitahirizam-boky efa hatramin’ny ela koa angamba eo anivon’ny fiangonana, ka mety hanana ilay boky na ilay gazety izy. Tena azo inoana fa ho faly izy hanampy anao. Mety ho afaka hifampahery koa ianareo amin’izay.

24 Toa mitaky ezaka izany, sa ahoana? Izany tokoa. Kanefa, anisan’ny mampiavaka ny olon-dehibe matotra amin’ny zazakely ny fahavononany sy ny fikirizany hikaroka zava-tsoa. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fon’ny manan-tsaina mahazo fahalalana; ary ny sofin’ny hendry mitady izany.”—Ohab. 18:15.

25 Ampitomboy ny fahalalana marina tsara anananao: Nivavaka ny apostoly Paoly mba hitombo hatrany ny fahalalana marina tsara ananan’ny Kristianina. Afaka mampitombo ny fahalalany na dia ireo efa nianatra Baiboly an-taonany maro aza. Nilaza mantsy i Jesosy fa hisy Kristianina voahosotra maromaro eto an-tany hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. (Matio 24:45) Nahita ny fahatanterahan’izany ny vahoakan’i Jehovah. Nahazo sakafo ara-panahy be dia be avy ao amin’ny boky sy gazety navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo, efa hatramin’ny taona maro.

26 Afaka manantena ny Kristianina fa ‘hihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro’ ny fahatakarany ny fampianaran’ny Baiboly. (Ohab. 4:18) Hanam-paharetana àry isika, ka hiandry ny fanazavana ireo foto-kevitra izay mbola tsy noresahin’ny bokintsika. Mandra-pahatongan’izany, dia faly sy velom-pankasitrahana isika mandray ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria mihamazava hatrany izany.

27 Araka ny hitantsika teo anefa, dia afaka mahita fanazavana saika momba ny fanontaniana rehetra miorina amin’ny Baiboly isika, raha mijery ao amin’ireo boky sy gazety ananantsika. Ampirisihina ny rehetra hampiasa ny Fanondroana, rehefa hitady fanazavana fanampiny ho an’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly isan-kerinandro sy ny anjara na lahateny, na isaky ny misy fanontaniana mipoitra.

28 Enga anie hihoatra lavitra noho ny an’i Lalatiana ny fifaliana ho tsapanao. Ataovy tanjona ny ho matotra ara-panahy sy hanana fahalalana marina tsara be dia be. Hanampy anao ho tonga amin’izany ny fampiasana ny Fanondroana, izay fanomezana atolotr’i Jehovah antsika noho ny fitiavany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara