FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/06 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 9 Janoary
  • Herinandron’ny 16 Janoary
  • Herinandron’ny 23 Janoary
  • Herinandron’ny 30 Janoary
  • Herinandron’ny 6 Febroary
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 1/06 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 9 Janoary

Hira 10, Hira 125

10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Desambra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra. Ataovy fitoriana eny amin’ny faritany be toeram-piasana ny fampisehoana iray.

15 min: “Fitaovana Lehibe Indrindra Ampiasaintsika ny Boky Ampianarina.”a Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ataovy izay hananan’ny mpitory hafanam-po hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky vaovao io.

20 min: “Ahoana no Anombohana Fampianarana Amin’ny Boky Ampianarina?” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika sy fampisehoana miorina amin’ny pejy 3 amin’ny takelaka fanampiny. Afaka mampiasa avy hatrany an’io boky io isika mba hanombohana fampianarana amin’ireo olona liana. Manaova fampisehoana telo voaomana tsara ahitana ny fomba ampiasana 1) ny pejy 4-5 sy ny 2) pejy 6 ary 3) ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy 7, mba hanombohana fampianarana Baiboly rehefa manao fiverenana mitsidika. Lazao aloha ny votoatin’ny fampisehoana tsirairay, ary resaho indray izany rehefa vita ilay fampisehoana. Azo hafohezina ny fandinihana ireo fehintsoratra, raha ilaina. Eo am-pamaranana, dia mampanantena ilay mpitory fa hiverina hitsidika an’ilay olona.

Herinandron’ny 16 Janoary

Hira 178, Hira 107

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Ampirisiho ny rehetra hijery indray ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990, mba hiomanana amin’ny fiaraha-midinika hatao rehefa afaka tapa-bolana.

15 min: Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny pejy 4-7 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah. Manaova teny fampidirana tsy hihoatra ny telo minitra, miorina amin’ny pejy 4, ary iaraho midinika amin’ny mpanatrika avy eo ny pejy 5 ka hatreo amin’ny lohatenikely eo amin’ny pejy 7. Mbola hisy ampahany amin’ny boky Voalamina hodinihina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka.

20 min: “Tanora Mpanazava.”b Manasà tanora vitsivitsy hilaza ny fomba nataony mba hitoriana tany am-pianarana. Asio valin-teny iray na roa efa nomanina mialoha.

Herinandron’ny 23 Janoary

Hira 60, Hira 205

10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy ny Mifohaza! Janoary. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mandaitra. Tanora no hanao ny fampisehoana iray.

15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Ataon’ny anti-panahy. Ampirisiho ny ray aman-dreny rehetra hampiofana ny zanany mba ho hendry tsara mandritra ny fivoriana sy aoriany.

20 min: “Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Mahaiza Manontany sy Mihaino.”c Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2, dia asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana hitany fa tsara hanombohan-dresaka. Ataovy fampisehoana ny fomba ampirisihana ny olona hilaza ny heviny, amin’ny fampiasana fanontaniana voalanjalanja sy ny fihainoana tsara.

Herinandron’ny 30 Janoary

Hira 197, Hira 45

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary, ary asio fampisehoana iray.

15 min: Fandaharana Feno Fitiavana Natao Hahasoa Antsika. Ataon’ny anti-panahy. Vakio sy resaho ilay taratasy tamin’ny 3 Janoary 2006, avy amin’ny biraon’ny sampana. Hazavain’izy io ny fomba handraisan-tsoa amin’ny asan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) sy ny Antokona Mpamangy Marary (AMM).

20 min: Vonona ny Hiatrika Tarehin-javatra Ara-pitsaboana Iray Izay Hisedra ny Finoana ve Ianao? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990. Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29, ary antitrantero vetivety fa mba hankatoavana ny lalàn’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ra no antony lehibe indrindra andavan’ny Kristianina ny fampidiran-dra. Iaraho midinika avy hatrany avy eo ilay lahatsoratra hoe “Vonona ny Hiatrika Tarehin-javatra Ara-pitsaboana Iray Izay Hisedra ny Finoana ve Ianao?” Vakio ny fehintsoratra 38 amin’ny farany.

Herinandron’ny 6 Febroary

Hira 74, Hira 16

10 min: Fampandrenesana.

25 min: Fantaro Ilay Fitaovam-pampianarana vao Azontsika. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asao ny mpanatrika hilaza hoe inona amin’ny lafiny mampiavaka an’ilay boky Ampianarina no tian’izy ireo. Ohatra, ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny toko sy ny famerenana izay manasongadina ny hevi-dehibe ao amin’izy io (p. 106, 114), ny sary (p. 122-123, 147, 198), ary ny fanazavana fanampiny (p. 197, feh. 1-2). Sady manohina ny fo no manintona ilay boky (feh. 12, p. 12). Tsotra sy mazava ny fampianarana ao anatiny (p. 58, feh. 5) ary mampiasa fanoharana mandaitra (p. 159, feh. 12). Manampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly ny sasin-teny (p. 3-7). Manaova fampisehoana ahitana ny fomba ampiasana ilay efajoro eo amin’ny pejy 7, amin’ny mpianatra vaovao. Mitantarà zavatra nahafinaritra momba ny fampiasana io boky vaovao io.

10 min: Ahazoana Fitahiana ny Asan’ny Mpisava Lalana Mpanampy. (Ohab. 10:22) Asao ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny taon-dasa hitantara izay nataony, ka nahafahany nanao izany. Asao koa izy hilaza ny fifaliana sy fitahiana azony tamin’izany. Ampirisiho ny rehetra hivavaka sady handinika raha afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy mandritra ny Martsa sy Aprily ary Mey.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara