FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/05 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 14 Novambra
  • Herinandron’ny 21 Novambra
  • Herinandron’ny 28 Novambra
  • Herinandron’ny 5 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 11/05 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 14 Novambra

Hira 220, Hira 24

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Oktobra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny fomba samy hafa hamaliana ny olona milaza hoe: “Tsy mahaliana ahy ny fivavahana.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 16-17.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: “Ambarao ny Voninahitr’i Jehovah.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia asao ny mpanatrika hilaza fitantarana fohy, mampiseho fa afaka mitory tsara isika rehefa manana fitondran-tena tsara.

Herinandron’ny 21 Novambra

Hira 40, Hira 67

10 min: Fampandrenesana.

20 min: Ataovy Andriamanitrao i Jehovah. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2005, pejy 25-28. Resaho ny fomba ampiharana tsara ny lesona azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Abrahama sy Davida ary Elia.

15 min: “Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Mahaiza Mandinika.”b Asio fampisehoana iray misy mpitory mandinika izay mahaliana an’ilay olona itoriany, ary mampifanaraka izany amin’ny zavatra lazainy.

Herinandron’ny 28 Novambra

Hira 7, Hira 123

12 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy ny Mifohaza! 8 Novambra. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Resaho ny fandaharana momba ny fanomezana.

15 min: “Inona no Azontsika Anampiana?” Lahateny. Milazà ohatra vitsivitsy amin’ny ezaka nataon’ny mpanompon’i Jehovah, mba hanampiana ny mpiray finoana taminy tena sahirana. (Jereo ny Mifohaza! 8 Mey 2000, pejy 16-17; Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2002, pejy 19; ary ny Diary 2003, pejy 240. Azo atao koa ny mampiasa loharanon-kevitra hafa.) Resaho avy eo ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra, eo amin’ny pejy 3. Antitrantero fa raha misy te hanao fanomezana hanaovana asa soa sy hanampiana tra-boina, dia tsara raha ataony ao amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ilay izy.

18 min: Fitoriana ny Vaovao Tsara Amin’ny Desambra. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Haharitra dimy minitra ny teny fampidirana. Resaho vetivety mandritra izany, ny hevitra ao amin’ilay hoe “Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?”, ao amin’ny pejy 8 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005. Ireto avy izany: 1) Hahomby kokoa isika matetika, raha ataontsika amin’ny fomba fitenintsika izy ireny. 2) Tsy maintsy mahay manavaka isika, ary mampifanaraka ny fomba fampisehontsika amin’ny fanao eo an-toerana. 3) Mila mandinika ny toe-tsaina sy ny mombamomba ny olona eo amin’ny faritanintsika isika. 4) Tokony hamaky tsara ilay toko eritreretintsika horesahina isika, ary hikaroka hevitra mety hahaliana. 5) Tsy voatery ho ny fomba fampiseho ato amin’ny Fanompoantsika ihany no ampiasaintsika. Resaho avy eo ny fomba hampiharana ireo hevitra ireo, rehefa hametraka ny zavatra atolotra amin’ny Desambra. Azonareo ampiasaina ny fomba fampiseho ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, na fomba fampiseho hafa mandaitra eo an-toerana. Manaova fampisehoana iray na roa.

Herinandron’ny 5 Desambra

Hira 38, Hira 26

10 min: Fampandrenesana.

15 min: Fanomezana Mampifaly ny Fon’Andriamanitra. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2005, pejy 26-30.

20 min: “Inona no Vokatry ny Fanompoantsika?”c Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2004, pejy 32.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara