Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Oktobra 2005. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 5 Septambra ka hatramin’ny 31 Oktobra 2005 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Ahoana no ataontsika mba ho azo antoka fa manohina ny fon’ny olona, ny zavatra ampianarintsika azy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? (Matio 13:19) [be p. 258 feh. 1-2, efajoro]
2. Inona no hanampy antsika hanovo izay ao am-pon’ny olona, nefa inona no tsy maintsy tadidintsika? [be p. 259 feh. 1-2]
3. Nahoana no zava-dehibe ny manantitrantitra ireo toetra mahatalanjon’i Jehovah, rehefa mampianatra? [be p. 260 feh. 1]
4. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly hahita hoe lafiny inona eo amin’ny fitondran-tenany no tokony hohatsarainy? [be p. 260 feh. 4–p. 261 feh. 1]
5. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly na ireo mihaino antsika, hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra? [be p. 262 feh. 2-3]
ANJARA No. 1
6. Inona no dikan’ny hoe ‘mitady fatratra’ an’i Jehovah, ary ahoana no ampisehoantsika fa manao izany isika? (Heb. 11:6) [w 15/8/03 p. 25 feh. 2; p. 26 feh. 1-2; p. 27 feh. 2]
7. Inona moa “ny modelin’ny teny mahasoa”, ary ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa mihazona azy io izy ireo? (2 Tim. 1:13, 14) [w 1/1/03 p. 29 feh. 3–p. 30 feh. 1]
8. Inona no atao hoe “kanônan’ny Baiboly”, ary inona no anton-javatra sasany amaritana hoe kanônika na anisan’ny Baiboly ny boky iray? [si p. 299-300 feh. 5-6]
9. Nahoana ny Sombin-taratasin’i Muratori, hita tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa, no tena manaporofo fa anisan’ny Baiboly ny Soratra Grika Kristianina? [si p. 302 feh. 19]
10. Inona mihitsy no lazain’ny Soratra Masina ka manamarina fa tokony hadika amin’ny fiteny hafa ny Baiboly? Ary inona no ilana ireo fandikan-teny tranainy? [si p. 307 feh. 9]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Moa ve ny 2 Mpanjaka 13:21 manamarina ny fankamasinana taolan’ny olo-masina (relìka)?
12. Nanao fifanekena tamin’i Ejipta ve i Hezekia? (2 Mpanj. 18:19-21, 25)
13. Tsy lazain’ny tantara asyrianina mazava hoe resin’i Jehovah tanteraka i Sankeriba, nefa inona no hitanao ho mahaliana amin’io tantara io? (2 Mpanj. 19:35, 36)
14. Iza no rain’i Sealtiela? (1 Tant. 3:16-18)
15. Tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka, inona no ohatra tsara navelan’ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny? (1 Tant. 5:18-22)