FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/05 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 8 Aogositra
  • Herinandron’ny 15 Aogositra
  • Herinandron’ny 22 Aogositra
  • Herinandron’ny 29 Aogositra
  • Herinandron’ny 5 Septambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 8/05 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

FANAMARIHANA: Iray na roa volana aorian’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mankatoava An’Andriamanitra”, dia manokàna 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe. Ataovy mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany (angamba atao solon’ny Zavatra ilain’ny fiangonana). Afaka manazava ny fomba ampiharana izay nianarantsika tany amin’ny fivoriambe isika amin’io fotoana io, sady hiresaka momba izay hevitra hitantsika fa manampy antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay 2005, p. 2.

Herinandron’ny 8 Aogositra

Hira 125, Hira 197

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Ampahatsiahivo ny datin’ny fivoriamben’ny faritra sy ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2006, raha efa fantatra.

10 min: “Mampiasa Taratasy Fanasana ve Ianao?” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asao ny mpanatrika hilaza ny vokatra tsara azony avy amin’ny fampiasana taratasy fanasana. Manaova fampisehoana fohy: Mpitory iray mampiasa ilay taratasy mba hanasana olona liana hivory.

25 min: “Izao no Fotoana Tokony Hitoriana!”a Ampiomano mialoha ny mpisava lalana iray na roa, hanazava ny fanitsiana nataony mba ho mpisava lalana. Asaivo lazainy koa ny fitahiana azony.

Herinandron’ny 15 Aogositra

Hira 11, Hira 30

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Jolay sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay. Hanao ireo fampisehoana ireo ny anti-panahy miaraka amin’ny mpitory iray efa osa. Ampiany hanolotra gazety ilay mpitory.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: “Ahoana no Hanombohana Fampianarana Baiboly eo Am-baravarana?”b Manaova fampisehoana fohy roa. Asehoy ny fomba anombohana fampianarana Baiboly eo am-pitoriana, amin’ny alalan’ny fehintsoratra iray na roa ao amin’ny bokikely Takina.

Herinandron’ny 22 Aogositra

Hira 161, Hira 204

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana.

15 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso Fizarana 12.”c Ampiomano mialoha ny mpitory iray na roa, mba hilaza hoe inona no nahatonga azy ireo hahay kokoa teo amin’ny fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly.

20 min: “Tombontsoa Sarobidy ny Mitory Ilay Fanjakana.”d Rehefa eo amin’ny fehintsoratra faha-4, dia ampahatsiahivo fa raha misy mpitory be taona na tsy salama ka tena tsy afa-manoatra, dia afaka mamerina tatitra 15 na 30 na 45 minitra izy.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2002, p. 8, feh. 6.

Herinandron’ny 29 Aogositra

Hira 45, Hira 71

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aogositra. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy ny Mifohaza! 8 Aogositra. Miverina mitsidika olona iray fanaterany gazety ilay mpitory, amin’ny iray amin’ireo fampisehoana.

15 min: “Fitoriana Tsy Amin’ny Teny.”e Manasà mpitory vitsivitsy hilaza hoe tamin’ny ahoana ny fahitana ny fitondran-tena tsaran’ny vahoakan’Andriamanitra, no nanampy azy ireo ho tonga mpanompon’i Jehovah.

20 min: Asongadino ny Baiboly Rehefa Mitory. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Jereo indray ny fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2004, pejy 4, fehintsoratra 2, mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa mitory. Ataovy fampisehoana ny iray na roa amin’ireo fanoloran-kevitra ao, ary ampiasao ireo zavatra atolotra amin’ny Septambra. Raha ampy ny fotoana, dia azo dinihina sy anaovana fampisehoana koa ny fanoloran-kevitra momba ny fametrahana boky sy bokikely, ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005.

Herinandron’ny 5 Septambra

Hira 98, Hira 164

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Valin’ny Fanontanianareo.

15 min: Tadidinao Ve? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2005, pejy 30. Asao ny mpanatrika hamaly ny fanontaniana tsirairay. Asongadino ny soa azo avy amin’io lahatsoratra io. Ampirisiho ny rehetra hamaky tsara ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tsirairay.

20 min: Fandaharana Anampiana ny Zokiolona. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2004, pejy 15-20. Lazao ny fandaharana ataon’ny fiangonana mba hanampiana ny marary sy ny zokiolona, rehefa mandinika ny fehintsoratra 9-18.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara