Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Mey
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8 mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Aprily sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mety amin’ny faritany. Manao fitoriana tsy ara-potoana eny ambony fiara fitateram-bahoaka ilay mpitory amin’ilay fampisehoana iray.
15 min: Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanohinana ny Fo. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2005, pejy 28-31. Diniho ny fomba nampiasan’i Jesosy ny Soratra Masina mba hanampiana an’i Petera. Resaho koa ny fomba hanahafantsika azy rehefa misy toe-tsaina sy fihetseham-po ilaina hahitsy ao amin’ireo zanatsika, sy ny olona ampianarintsika Baiboly, na ny tenantsika mihitsy aza.
20 min: “Manaova Fandaharam-potoana Mety Amin’ny Fianakavianao.” Asongadino ao amin’ny teny fampidirana ny soa azo rehefa manana fandaharam-potoana voasoratra ny fianakaviana. Resaho koa ny fomba hamenoana ny tabilao eo amin’ny pejy 6. Asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo ilay lahatsoratra hoe “Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Fivorian’ny Fiangonana.” Asao ny mpanatrika hilaza izay ataony mba tsy hososohan’ny zavatra hafa ny fanatrehany fivoriana. Horesahina amin’ireo herinandro ho avy ny fandaharam-potoana hafa.
Herinandron’ny 16 Mey
10 min: Fampandrenesana.
15 min: “Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Fanompoana eny Amin’ny Saha.”a Asao ny mpanatrika hilaza ireo soa azo, raha miara-manompo foana ny fianakaviana.
20 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 9.”b Manasongadìna hevitra iray na roa avy amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 2004, pejy 8. Asio fampisehoana fohy momba ny fampianarana Baiboly. Vita ny lesona 2 ao amin’ny bokikely Takina, ary manontany ilay mpampianatra hoe: “Ahoana no hanazavanao ny anaran’Andriamanitra amin’ny namanao?” Manazava ny fomba ampiasany ny Salamo 83:18 ilay mpianatra, ary midera azy ilay mpampianatra.
Herinandron’ny 23 Mey
12 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty, sy fankasitrahana ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey sy ny Mifohaza! 8 Mey. Azo atao ny mampiasa fomba fampiseho hafa.
18 min: “Antomotra ny Andron’i Jehovah.”c Jereo mialoha ny boky Faminanian’i Daniela, pejy 59, feh. 28.
15 min: “Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Fianaram-pianakaviana.”d Manasà olona iray na roa niomana mialoha hilaza ny fotoana fanaovany fianaram-pianakaviana, sy ny ezaka ataony mba tsy ho tapatapaka izy io.
Herinandron’ny 30 Mey
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Mey. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Jona. Manaova fampisehoana iray na roa, miorina amin’ny fomba fanolorana boky sy bokikely ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005. Azo atao ny mampiasa fampidiran-dresaka hafa.
20 min: “Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Teny Hodinihina Isan’andro.”e Asao ny mpanatrika hilaza ny soa raisin’ny fianakaviany noho izy ireo miaraka mamakafaka ny teny hodinihina isan’andro, sy ny fandaharam-potoana mety amin’izy ireo.
15 min: Tantarao na ataovy fampisehoana ny zavatra nahafinaritra hita teny amin’ny fanompoana nandritra ny volana Martsa, Aprily ary Mey. Manasà olona iray na roa afaka nandray anjara bebe kokoa tamin’ny fanompoana nandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Asao izy hilaza ny ezaka nataony sy ny fitahiana azony tamin’izany.
Herinandron’ny 6 Jona
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Ampio Ireo Olona Fanateranao Gazety.”f Resaho ny pejy 194-199 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3. Afaka mampiasa azy io ny mpitory mba hanomanana fiverenana mitsidika maromaro, hanazavana izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Andinin-teny iray ihany no horesahiny isaky ny fitsidihana. Asio fampisehoana: Mpitory miresaka vetivety andinin-teny iray amin’ny olona fanaterany gazety, ary manazava ny fomba hampiharana azy io. Ho azon’ilay olona tsara ilay andininy amin’izay, ary ho hitany ny ilany azy io eo amin’ny fiainany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
f Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.