Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 2. Ampirisiho ny rehetra hijery indray ny fandraisany an-tsoratra, mba hanomanana ny fiaraha-midinika ny fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro. Asaivo ampiasainy ny fanontaniana eo amin’ny pejy 1. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hanolorana ny Mifohaza! 8 Septambra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra. Ampirisiho ny mpitory hamaky andinin-teny iray eny am-pitoriana. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa.
15 min: Aoka Ianao ho Faly Rehefa Manampy ny Hafa. (Jaona 4:34) Fanadinadinana. Mahafaly ny mahita olona miramirana rehefa mianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (w 1/3/94 p. 29, feh. 5-6) Manadinadìna mpitory na mpisava lalana roa na telo, izay mahita vokatra rehefa mampiasa Baiboly eny amin’ny fanompoana, na rehefa manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly. Ahoana no anampiany ireo olona liana hitany? Inona no fifaliana hitan’izy ireo amin’izany? Asaivo tantarainy na ataony fampisehoana ny zavatra hitany.
20 min: “Ezaka Manokana Hizarana Ilay Bokikely Vaovao.”a Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Anaovy fampisehoana ireo fomba azo anolorana ilay bokikely. Zara raha liana amin’ilay hafatra ny tompon-trano amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ka taratasy mivalona no omena azy fa tsy ilay bokikely.
Herinandron’ny 18 Oktobra
5 min: Fampandrenesana. Resaho vetivety indray ny fandaharana momba ilay ezaka manokana hizarana ilay bokikely vaovao.
40 min: “Mandrisika Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra.” Ataon’ny anti-panahy. Aorian’ny teny fampidirana iray minitra na latsaka, dia iaraho midinika amin’ny mpanatrika ny fandaharan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ny fanontaniana ao amin’ilay lahatsoratra ampiasaina. Tsinjarao tsara ny fotoana mba hahafahana hamaly ny fanontaniana rehetra. Valiny iray ihany angamba dia ampy ho an’ny fanontaniana sasany. Tsy ho voavaky ao anatin’ny fotoana nomena daholo ny andinin-teny voatonona rehetra; napetraka tao fotsiny izy ireo mba hanamora ny fahitana ny valiny. Ny soa azo avy amin’ny fampiharana izay nianarana no tokony hisongadina ao anatin’ny valin-teny.
Herinandron’ny 25 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Anaovy fampisehoana ny fomba nandaitra nanolorana an’ilay bokikely vaovao teo amin’ny faritany. Mitantarà zavatra hita nandritra ilay ezaka manokana, raha ampy ny fotoana.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Porofoy fa Marina ny Tenin’Andriamanitra. Fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 256-257. Inona ireo porofo ivelan’ny Baiboly azontsika ampiasaina mba hanampiana ny olona hahita fa azo ekena tsara izay lazain’izy io? Asaivo mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpanatrika: Inona eo amin’izao rehetra izao hita maso no azontsika anaporofoana amin’ny olona fa misy ny Mpamorona? (rs p. 131-133) Inona no fanamarihan’ny manam-pahaizana, azontsika resahina amin’ny olona, mba hanampiana azy ireo hanaiky fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly? (rs p. 81-82) Inona no fanoharana azontsika ampiasaina mba hanampiana ny olona hahatakatra ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy? (rs p. 113) Inona no fitantarana na ohatra nampiasainao mba hanampiana ny olona hahita fa fahendrena ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly?
Herinandron’ny 1 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana.
20 min: Ahoana no Anampiana Ireo Miteny Vahiny? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny teny fampidirana ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. Asongadino ny lafiny mampiavaka azy io. Resaho ireo dingana telo azontsika arahina mba hanampiana ireo olona mampiasa fiteny tsy haintsika. Lazao fa tokony hameno ilay taratasy Tsidiho Aza Fady (S-43) ny mpitory, na dia tsy liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana aza ilay olona. Anaovy fampisehoana iray ny fomba azo ampiasana ilay bokikely vaovao.
15 min: Fitantarana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra nahafinaritra hitany nandritra ilay ezaka manokana nizarana ilay bokikely vaovao. Ataovy fampisehoana izay niavaka tamin’izany. Raha kely sisa ny bokikely ao amin’ny tahirin’ny fiangonana, dia iangavio ireo manana mihoatra ny iray mba hamerina izany any amin’ny mpiandraikitra ny boky.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.