FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/04 p. 2
  • Fivoriana Momba Ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba Ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 12 Jolay
  • Herinandron’ny 19 Jolay
  • Herinandron’ny 26 Jolay
  • Herinandron’ny 2 Aogositra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 7/04 p. 2

Fivoriana Momba Ny Fanompoana

Fanamarihana: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ireo volana manaraka. Mety hanao fanitsiana ny fiangonana mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra.” Raha mety, dia ampiasao ny 15 minitra amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana, izay hatao alohan’ny fivoriambe, mba hijerena indray ireo torohevitra mivantana tsara avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana volana Mey. Hisy Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny volana Oktobra, izay hamerenana ireo hevitra hisongadina mandritra ilay fivoriambe. Mba hiomanana amin’izany, dia ho afaka handray an-tsoratra tsara ireo hevi-dehibe isika rehetra. Azontsika raisina koa ireo hevitra tiantsika hampiharina eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fanompoana. Hampahery ny hafa isika, rehefa hitantara ny fomba nampiharantsika ireo torohevitra nomena antsika.

Herinandron’ny 12 Jolay

Hira 108, Hira 16

12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona sy ny Mifohaza! 8 Jona.

18 min: “Manaova ny Rariny toa An’i Jehovah.”a Asaivo hazavain’ny mpanatrika ny andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

15 min: Boky Mirakitra Faminaniana Azo Itokisana ny Baiboly. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy 27-29. Matetika isika no mahita olona liana ny amin’ny hoavy, eny amin’ny fanompoana. Miresaka ny amin’ny hoavy mahafinaritra ho an’ny olombelona mpankatò ny Baiboly. Mandiniha faminaniana sasantsasany izay manamafy ny fitokisantsika ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly momba ny hoavy. Manasà mpitory hanao fampisehoana fohy ny amin’ny fomba ampiasana ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana olona liana iray hitoky amin’izy io.

Herinandron’ny 19 Jolay

Hira 83, Hira 10

15 min: Fampandrenesana. Lazao fa zava-dehibe ny hanarahana fandaharam-pamakiana Baiboly tsy tapaka, na dia rehefa misy zavatra manova azy io aza. Milazà hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2000, pejy 32. Resaho koa ilay “Filazana ny Loharanon-kevitra.”

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

15 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 1.” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Avelao ny mpanatrika hanazava izay voalaza ao amin’ny pejy 90-92, amin’ny boky Ny Fanompoantsika. Asaivo asongadiny ny antony ara-baiboly hanaovana mpianatra, sy ny fanampiana omen’ny fandaminana, ary ny fomba hitarihana ny olona liana ho amin’ny fandaminana. Anisan’ny hevitra hodinihintsika koa ireto manaraka ireto: ny fomba hiomanana rehefa hitarika fampianarana, ny fomba hanampiana ny mpianatra mba hanomana, ny habetsahan’ny fahalalana omena azy, ny fomba hampiasana tsara ny andinin-teny, ny fomba hamaliana ireo fanontanian’ny mpianatra, ny fomba hampidirana ny vavaka, ary ny fomba hitarihana ilay mpianatra ho amin’ny fandaminana. Ampirisiho ny rehetra hampihatra ireo torohevitra omena ao amin’io boky io, sy hitahiry tsara ireo lahatsoratra mifandray amin’ity, mba hampiasaina amin’ny manaraka.

Herinandron’ny 26 Jolay

Hira 216, Hira 173

12 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy ny Mifohaza! 8 Jolay. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny fomba samy hafa hamaliana ny hoe: “Nahoana ianareo no mitsidika matetika toy izao?”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 20.

8 min: Valin’ny Fanontanianareo. Ataon’ny anti-panahy. Vakio sy resaho ilay lahatsoratra manontolo.

25 min: “Ny Fomba Fitoriana any Amin’ny Faritany be Fandraharahana.”b Resaho izay fandaharana ataon’ny fiangonana mba hitoriana amin’ny faritany be mpandraharaha. Ataovy fampisehoana vetivety ireo famelabelarana roa resahina eo amin’ny fehintsoratra 4-5, na manaova iray hafa izay mety amin’ny faritanin’ny fiangonana. Asaivo mitantara zavatra mampahery hitany teny amin’ny faritany be fandraharahana ny mpanatrika, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 2 Aogositra

Hira 60, Hira 32

8 min: Fampandrenesana.

22 min: Manome ny Antony ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 254, fehintsoratra 1-2. Hahita vokatra bebe kokoa isika raha manome porofo, rehefa manazava sy mampihatra andinin-teny, fa tsy manizingizina fotsiny izay lazaintsika, eny amin’ny fanompoana sy eny amin’ny lampihazo. Mampiasà ohatra avy amin’ny boky Fanjohian-kevitra na boky hafa, araka izay mety amin’ny faritanintsika, mba hampisehoana ny fomba 1) hifidianana sy hanazavana hevi-dehibe amin’ny andinin-teny, 2) hampisehoana mazava avy amin’ny teny manodidina na andinin-teny hafa fa mifanaraka tsara amin’ny foto-kevitra ilay izy, 3) hampiasana fanoharana mba hampisehoana fa tena araka ny tokony ho izy ny zavatra nolazainao, ary 4) hampiasana fanontaniana mba hanampiana ny mpihaino hisaintsaina ilay hevitra resahina. Asongadino ny soa raisintsika amin’ny fanjohiana hevitra.

15 min: Fitantarana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra nampahery hitany tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, na asa fanompoana hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara