Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Mey sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ny fomba itoriana ao amin’ny faritany be toeram-piasana. Azo atao ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanentana amin’izany.
20 min: “Manampy Ireo Matoky Azy i Jehovah.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia milazà hevitra avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 67, fehintsoratra 2.
15 min: Nahoana Isika no Tsy Mampiasa Zava-mahadomelina? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 431-435. Fahita ny olona mampiasa zava-mahadomelina mba “hahazoana fahafinaretana.” Maro no milaza fa tsy mampaninona ny mampiasa azy ireny. Misy mihitsy aza mampirisika ny Fanjakana mba hanaiky ho ara-dalàna ny fampiasana zava-mahadomelina. Resaho ny fomba hampisaintsainana ny olona toy izany.
Herinandron’ny 21 Jona
10 min: Fampandrenesana.
15 min: “Manampy Antsika ny Anjely.”b Asao ny mpanatrika hanazava ny andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
20 min: Mandefitra ny Fahendrena avy any Ambony. (Jak. 3:17) Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 251-252. Inona no dikan’ny hoe mandefitra? Nahoana izany no tena ilaina amin’ny fanompoantsika? Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Paoly? Ahoana no anehoantsika fiheverana ny toe-piainana niavian’ny olona eo amin’ny faritanintsika? Ahoana no anampiantsika ny mpianatra ny Baiboly mba handefitra? Ampiomano mialoha ny mpitory iray na roa, mba hitantara ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana, ka mampiseho fa andraisan-tsoa ny fahaizana mandefitra toy izany.
Herinandron’ny 28 Jona
12 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jona. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! 8 Jona. Asao hilaza teny kely mampiseho hatsaram-panahy aloha ilay mpitory, eo am-piandohana. Hazavao fa hahazo aina tsara ilay tompon-trano raha manao izany isika.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
18 min: “Nahoana Isika no Mila ny Fianarana Boky?”c Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Milazà hevitra avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ampio ny Mpiandraikitra ny Fianarana Boky Misy Anao” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2002, pejy 1.
Herinandron’ny 5 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Vaovao Farany.
15 min: Inona no Holazainao? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hanolotra bokikely isika, amin’ny Jolay sy Aogositra. Bokikely inona no hitan’ny mpitory ho mifanentana amin’ny faritaniny? Jereo indray ireto fomba fampiseho ireto: 1) Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?: Inona no fanantenana heverinao fa azo resahina amin’ireo olona nampijalina?—Pejy 27-28, fehintsoratra 23-27; Isaia 65:17, 18. 2) Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!: Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona izao no ataon’i Jesosy Kristy?—Sary 41-42; Apok. 11:15. 3) Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa: Tianao ve ny hahafantatra momba ilay Fanjakana nampianarin’i Jesosy antsika mba hangatahina amin’ny vavaka?—Pejy 3; Matio 6:9, 10. 4) Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao: Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ampiononana olona iray nidonam-pahoriana?—Pejy 26, fehintsoratra 2-5; Jaona 5:28, 29. 5) Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?: Fantatrao ve fa afaka mahatakatra ireo hevitra fototra ao amin’ny Baiboly ianao, raha mianatra azy io ao anatin’ny 30 minitra eo ho eo isan-kerinandro, mandritra ny 16 herinandro monja?—Lesona 2, fehintsoratra 6; 2 Tim. 3:16, 17. Asongadino fa ny tsirairay amin’ireo fomba fampiseho dia misy: 1) fanontaniana iray, sy 2) andinin-teny iray, ary 3) hevitra iray notsoahina avy ao amin’ilay bokikely. Manaova fampisehoana iray na roa. Ampirisiho ny rehetra hampiasa Baiboly rehefa mitory.
20 min: Inona no Ilain’ny Ankizy? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, pejy 6-7. Zava-dehibe ny ianaran’ny ankizy ny toro lalan’ny Baiboly mifehy ny fivavahana marina, sy ny ahatakarany ny anjara asan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fampiofanana azy ireo. Resaho ireo fanoloran-kevitra momba ny fianarana an’io boky io. Asao ny ray aman-dreny hanazava ny fomba nampiasany azy io. Manasà ankizy iray na roa hilaza ny antony itiavan’izy ireo ilay boky.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.