FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/04 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 8 Martsa
  • Herinandron’ny 15 Martsa
  • Herinandron’ny 22 Martsa
  • Herinandron’ny 29 Martsa
  • Herinandron’ny 5 Aprily
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 3/04 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 8 Martsa

Hira 37, Hira 131

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Ampahatsiahivo ny rehetra hitondra ilay bokikely vaovao hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’, mba hampiasaina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro ambony. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! 8 Martsa.

15 min: Mampiasà Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ny manombo-dresaka matetika no sarotra indrindra rehefa mitory. Afaka mampiasa taratasy mivalona isika mba hanombohan-dresaka rehefa mitory isan-trano, sy eny amin’ny faritany be toeram-piasana, ary eny amin’ny toerana falehan’ny olona. Resaho vetivety ny taratasy mivalona roa na telo, izay mety hanintona ny olona eo amin’ny faritany. Inona no teny fampidirana azo ampiasaina rehefa manolotra azy ireny? Ahoana no hampiasana ireo sary? Inona avy no fanontaniana voalanjalanja azo apetraka? Manasongadìna fehintsoratra iray azo iaraha-midinika ao amin’ny taratasy mivalona tsirairay, raha liana ilay tompon-trano. Manaova fampisehoana misy mpitory manombo-dresaka amin’ny taratasy mivalona. Miresaka fehintsoratra iray ao izy, ary manolotra boky Mivavaha amin’ny farany.

20 min: “Tiava An’i Jehovah, ry Olony Masina Rehetra.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nanasany olona hanatrika Fahatsiarovana.

Herinandron’ny 15 Martsa

Hira 121, Hira 63

10 min: Fampandrenesana. Resaho ny hevi-dehibe ao amin’ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana.” Lazao ny fotoana hanaovana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny herinandron’ny Fahatsiarovana.

15 min: Ezaka Manokana Mandritra ny Vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho ny fandaharana manokana natao. Milazà fitantarana mampahery vitsivitsy. Ampirisiho izay rehetra afaka, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily sy Mey. Resaho vetivety ireo hevitra sasany ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2004.

20 min: Mandraisa Soa avy Amin’ny Bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Manampy antsika hahazo tsara izay vakintsika sy ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io bokikely vaovao io. Tena manampy ny fampiasana ireo fanondroana sarintany ao amin’izy io. Vakio ny Isaia 63:1, izay milaza fa avy any Bozra i Jehovah. Asao ny rehetra hijery ilay teny hoe Bozra ao amin’ny fanondroana sarintany ao amin’ilay ‘Tany Soa.’ Hazavao ny dikan’ny hoe “Bozra 11 H11”, ka ampiasao ilay efajoro eo amin’ny pejy 34. Jereo eo amin’ilay sarintany voalaza i Bozra sy Edoma. Jereo ny lalan’i Jesosy avy tany Jerosalema hankany Sykara, ka ampiasao ilay fanondroana sarintany. (Jaona 4:3-5) Jereo toy izany koa ny dobon’i Betesda. (Jaona 5:1-3) Mifidiana ohatra iray na roa fanampiny avy amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba ahitana ireo toerana ireo ao amin’ilay bokikely, sy ny soa azo amin’ny fijerena ireo sarintany. Asongadino vetivety ny sarintany sasany, ka mariho ny vanim-potoana tafiditra amin’izany. Ilay sarintany ao amin’ny pejy 18, 19 no ahitana toerana ao amin’ny Baiboly be indrindra. Ampirisiho ny rehetra hampiasa tsara ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa.’

Herinandron’ny 22 Martsa

Hira 191, Hira 181

10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Ampirisiho ny rehetra hanaraka ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana, ny 30 Martsa–4 Aprily, hita ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro​—2004 sy ny Kalandrie 2004.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: “Mahakasika Anao ny Fanafihan’ireo Miaramila An-tsoavaly.”b Vakio sy hazavao ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 29 Martsa

Hira 129, Hira 130

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Aprily. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa sy ny Mifohaza! 8 Martsa.

20 min: Mampiavaka ny Tena Mpivavaka ny Fahadiovana. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2002, pejy 19-21. Asio fampisehoana iray misy anti-panahy mampiseho amin’ny mpisava lalana iray ny fomba tsara hanampiana ny mpianatra Baiboly hahita fa tokony hadio foana ny tranony sy ny tokotaniny. Ny lesona 9, fehintsoratra 5 amin’ny bokikely Takina no ampiasainy amin’izany.

15 min: Mampiray ny Fianakaviana ny Fahamarinana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Miahotra ny hanompo an’i Jehovah ny olona liana sasany, satria toherin’ny mpianakaviny. Resaho ny fitantarana sasany amin’ireto Tilikambo Fiambenana ireto: 1 Janoary 2002, pejy 14, 15; 1 Desambra 2000, pejy 8; 1 Septambra 1999, pejy 32; 1 Janoary 1999, pejy 4; ary ny Mifohaza! 8 Martsa 1998, pejy 10. Asongadino fa matetika no mihatsara ny fiainam-pianakaviana, na dia iray monja amin’ny mpianakavy aza no mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly.

Herinandron’ny 5 Aprily

Hira 126, Hira 25

15 min: Fampandrenesana. Valin’ny Fanontanianareo.

15 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2004. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Lazao ny zava-misongadina ao amin’ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana”, sy ireo isa niavaka tamin’ny tatitra maneran-tany, ary fitantarana sasany manatanjaka ny finoana. Ampirisiho ny rehetra hamaky ilay boky manontolo ao anatin’ny taona.

15 min: Milazà fitantarana mifandray amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana sy ny habetsahan’ny fanompoana vita nandritra ny Martsa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara