Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Febroary
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy ny Mifohaza! 8 Febroary. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba hamaliana ny hoe “Manana ny fivavahako aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 17, 18.
10 min: “Mandraisa Soa Amin’ny Fianarana ny Boky Manatòna An’i Jehovah.” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra Fianarana Boky. Resaho ilay fandaharam-pianarana, rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2. Vakio sy iaraho midinika ny fehintsoratra 23, pejy 25 amin’ilay boky, rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3.
25 min: “Ambarao Hatrany ny Asa Mahatalanjona Nataon’i Jehovah.”a (Fehintsoratra 1-10) Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Ampirisiho ny rehetra handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.
Herinandron’ny 16 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.
15 min: “Asa Tahin’Andriamanitra.”b
20 min: “Ambarao Hatrany ny Asa Mahatalanjona Nataon’i Jehovah.”c (Fehintsoratra 11-17) Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Asio fampisehoana fohy iray misy mpitory izay manasa olona notsidihina mba hanatrika Fahatsiarovana.
Herinandron’ny 23 Febroary
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary sy ny Mifohaza! 8 Febroary. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo. Amin’ny faran’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo, dia mametraha fanontaniana mampisaintsaina, izay azo valiana amin’ny bokikely Takina, rehefa mitsidika manaraka.
15 min: “Ataovy Loha Laharana ny Fivoriana Tsy Tapaka.”d Ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Ampiomany ny olona iray na roa hanazava izay ataony mba hanatrehana ny fivoriana rehetra.
20 min: Miderà An’i Jehovah “eo Amin’ny Fiangonana.” Fiaraha-midinika miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2003, pejy 19-22. 1) Inona no antony hanomezantsika valin-teny, araka ny Salamo 22:22, 25? 2) Nahoana no manampy ny vavaka? 3) Nahoana no ilaina ny fanomanana? 4) Inona no tokony ho tanjontsika rehetra any am-pivoriana? 5) Nahoana no manampy ny mipetraka eny aloha? 6) Nahoana no ilaina ny mihaino izay lazain’ny hafa? 7) Ahoana no amaliantsika amin’ny fomba fitenintsika? 8) Ahoana no hampaherezantsika ny hafa rehefa manome valin-teny isika? 9) Inona no andraikitry ny mpitarika?
Herinandron’ny 1 Martsa
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Febroary. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Martsa, ary jereo vetivety ny iray amin’ireo fomba fampiseho ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Vitantsika Izay Takin’i Jehovah.”e Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Asongadino ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.