Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy ny Mifohaza! 8 Desambra. Na gazety iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, amin’ireo fampisehoana ireo.
20 min: “Ahoana no Hananana ny Tena Firaisan-tsaina Kristianina?”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5, dia asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra hitany teny amin’ny fivoriambe na teny amin’ny asa fanorenana, na tamin’ny fanampiana olona tra-boina, ka manasongadina fa miray saina isika Kristianina.
15 min: “Sekolin’ny Fanompoana 2004.” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Milazà hevitra avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2003.
Herinandron’ny 15 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra, mba hiomanana ho amin’ny fiaraha-midinika hatao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, ny herinandron’ny 29 Desambra. Resaho ilay efajoro hoe “Tsidiho Haingana, Aza Fady.” Asehoy ny S-70 raha misy. Lazao ny fandaharam-pitoriana nalamina ho amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.
15 min: Anisan’ny Fanompoana ny Fianarana Samirery. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2000 pejy 14, 15, fehintsoratra 6-10.
20 min: “Ampio ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara.’”b Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Jereo ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny efajoro amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997, pejy 3, mba hanaovana fiverenana mitsidika.
Herinandron’ny 22 Desambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra sy Mifohaza! 8 Desambra. Ampahatsiahivo ny rehetra ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana manokana amin’ny herinandro ambony. Handinika ilay video Tsy Mampiasa Ra isika amin’io, sady hizara ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra.
15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Hataon’ny mpitan-tsoratry ny fiangonana. Ampiasao ny fotoana mba hiresahana ny fomba mety tsara hamenoana tatitra. Vakio sy resaho koa ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 103, 104.
18 min: “Fitadiavana Izay Mendrika.”c Manaova fampiharana eo an-toerana. Rahoviana no tena azo inoana fa ao an-trano ny olona? Inona no vokatra azo rehefa mitory amin’ny takariva? Inona no azo atao mba hiresahana amin’ny olona tsy tratra an-trano matetika?
Herinandron’ny 29 Desambra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Janoary.
17 min: “Tokony Hojerenao Ilay Video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra.” Ataon’ny anti-panahy mahay. Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29, ary antitrantero vetivety fa ho fanajana ny lalàn’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ra no antony lehibe tsy ampidiran’ny Kristianina ra. Resaho avy hatrany ilay video Tsy Mampiasa Ra, ka ny fanontaniana ao amin’ilay lahatsoratra ampiasaina. Vakio ny fehintsoratra farany mba hamaranana azy.
23 min: Atreho Amim-pahatokiana Ireo Olana Ara-pitsaboana. Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay, ka ny drafitra omen’ny biraon’ny sampana no ampiasainy. Jereo ireo hevi-dehibe ao amin’ilay efajoro hoe “Fandaharana Hanampiana Antsika Hifady ny Ra.”
Herinandron’ny 5 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Tsy Very Maina ny Asa Mafy Ataonareo. (1 Kor. 15:58) Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ampiomano mialoha ny mpitory izay narisika hatramin’ny taona maro, mba hitantara ny tsipiriany momba ny fitoriana tamin’izy vao nanomboka nitory. Firy no anisan’ny fiangonana tamin’izany? Lazao ny haben’ny faritany nasaina niasan’ny fiangonana? Ahoana no nandraisan’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana? Inona no fanoherana hitany? Ahoana no nitomboan’ny asan’ilay Fanjakana teo amin’ny faritra nisy azy, nandritra ireo taona?
25 min: “Mahay Mandamin-javatra ve Ianao?” Ataon’ny mpitan-tsoratry ny fiangonana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.